Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena – Tale iray mandà volan’olona, manampatra fahefana

Ny Valosoa

Araka ny fitarainana mpanjaitra iray voarain’ny gazety ary nohamarinina, tale iray miasa ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena amin’izao fotoana no mandà tsy mety manefa volan’olona, mandà tsy mandoa ny volana mpanjaitra iray nomeny asa izany tale izany.

Mi-taraina ny « fournisseur » iray fa tamin’ny volana novambra 2021 ity tale ity dia nandeha nankany an-dafy, ka nampanamboatra « costard » miisa 15 tamin’io olona io, satria 15 andro hono izy any, ka mila misolo costard isan’andro. Hatramin’ity androany anefa dia tsy naloany ny vola vidin’ireo “costard” ireo. Raha mitaky ny volany ilay ramatoa mpanjaitra dia vavabe no azony amin’ity tale ity.

Ankoatra izany, mafy ny tsindry mahazo ireo chauffeur na mpamily ao amin’ity fitaleavana ity, satria rehefa mission misy vola dia ny anaran-drainy no ataony ao, kanefa io rainy io dia tsy mandeha manao mission akory rehefa amin’ny fotoana handehanany, fa izy no sady chauffeur no superviseur na mpanara-maso. Hainy ny miantso ireo chauffeur ireo rehefa amin’ny tombontsoany manokana, notereny niaraka taminy rehefa naka moto novidiany tany Antsirabe na tamin’ny firy alina no niala teto Antananarivo, toy izany koa ny nakany fiara novidiany tamin’iny RN7 iny. Misy fo-toana koa io tale amin’ny UAES io, maka volan’ny mission, fa tsy mandeha, fa hampiarahany olona ny ordre de mission-ny ary matetika dia toerana lavitra toy ny any Fort-Dauphin sy Toliara, no safidiany amin’izany fa ireny no be vola (indemnité sy carburant).

Noho izany, dia mangataka fanadihadiana lalina ao amin’ity fitaleavana iray ao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ity ireo mpiasa ao. Ambarany, fa mitory azy izy ireo, satria tsy iray tsikombakomba amin’ny famoahana vola lava tsy ara-dalàna ataon’ity tale ity. Mihorohoro ny mpiasa satria milaza ho arovan’ny ministra ity tale ity. Koa manaitra ny mpanara-mason’ny ministera sy ny Bianco izy ireo, hijery akaiky izao toe-javatra izao.