Olom-panjakana Malagasy – Matahotra sy miafinafina rehefa tonga any La Réunion

Nangonin’i Stefa

Miafinafina ireo olom-panjakana Malagasy rehefa tonga atsy amin’ny Nosy La Réunion. Nadalo tany an-toerana ny herinandro lasa teo ny ministry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto, sy ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Vazahabe Naina Andriantsitohaina, fa nangingina tanteraka izany fandalovany tany izany. Matahotra fadiranovana ny olom-panjakana malagasy rehefa manao fitsidihana atsy amin’ny Nosy la Réunion. Nisy nahita, nitaingina teleferika tao Saint-Denis ny ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriatsitohaina tamin’ny faran’ny herinandro teo. Tsy nataony nahoraka fa tena nangingina nefa izany fitsidihana izany. Nafenimpenina fatratra, ka na ireo mpomba ny fitondrana Rajoelina any an-toerana aza tsy nisy nahalala akory, fa tonga tao La Réunion i Lemera Vazahabe.

Nifezaka toy izany koa ny minisitry ny raharaham-bahiny Richard Randriamandranto: olona vitsivitsy anaty fikambanana iray monja no nandray azy tao amin’ny Consulat de Madagascar ao Saint-Denis. Tsy mba natao nahoraka tahaka ny an-dRajoelina Patrick, izay nihaona tamin’ny filoham-pikambanana maro tao amin’io toerana io ihany, ny fandraisana an’i Richard Randriamandranto fa nafenina mafy. Misy ihany nefa ny olona namoaka tamin’ny Facebook. Tsy hita ny sariny satria angamba voarara ny famoahana ny resaka. Saingy nisy fanehoan-kevitra mikasika io fandalovany io amin’ny tambazotra.

Azo lazaina fa ny tahotra ny hery fanoherana mivaivay ao La Réunion, no nahatonga ireto olom-panjakana ireto nisitrika toy izao. Iaraha-mahalala fa ny “werawera”, no mahazatra ireto mpitondra volomboasary ireto: tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia ny ben’ny tanànan’ny Renivohitra sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, no nandalo tsy re tsaika tany an-toerana.

Mbola milentika mafy ao an-tsain’ny mpitondra tokoa ny fahafaham-baraka noraofin’ny ministra Patrick Rajoelina tany La Réunion. Ankoatran’ny kiririoka tsy nifandrenesana nataon’ny mpanohitra nihiaka hoe: « Malagasy maty noana, fa ny mpitondra voky be » tao ivelan’ny Consulat, nandritra ny fandalovan’ilay minisitra tsy mahay miteny Malagasy sy ny fanairana ny mpanao gazety tao La Réunion mikasika ny fironan’i Madagasikara mankany amin’ny jadona dia teo koa ny fanehoana tamin’ny tambazotra ireo zava-mahamenatra niseho tao an-toerana. Anisan’ireny ny fandisoana ny hiram-pirenena nataon’ireo mpikarakara, nefa dia nanohy nanetsiketsika ny vavany toy ny mihira ilay minisitra malagasy izay sady « mila mamaky ny boky Lala sy Noro», no tsy mahalala akory ny « Ry Tanindrazanay Malala ». Ny teny ratsy mamoafady sy ny fanambaniana olona hoe « ialahy andevo» moa, no ahatsiarovana ny ministra Rajoelina Patrick. Anisan’ny nitarika ny fialan-dRajoelina Patrick teo amin’ny sezan’ny minisitra noho izany, ny hetsiky mpanohitra tao amin’ny Nosy La Réunion. Mazava fa io fatahorana ny mpanohitra io, no antony nampitsaitsaika ireto olom-panjakana 2 nandany volam-bahoaka nivahiny tany an-toerana ireto.

Marihina fa ny hetsika mahery vaikan’ny Miara-manonja ao la Réunion io dia ivondronan’ny hery maro tahaka: ny GTT Réunion, ny RMDM Réunion, ny Collectif pour Madagascar, ny Komity 974 ary Les Indignés de Madagascar. Raha ny fantatra dia efa mitady ny toerana misy an’i Naina Andriatsitohaina sy Richard Randriamandranto ny mpanohitra ao la Réunion. Hoy izy ireo, raha nanontanian’ny mpanao gazety hoe: « te hampahafantatra an’izy mirahalahy ireo sy ny fitondrana frantsay izahay fa TSY LAHARAM-PAMEHANA NY TELEFERIKA tadiavina hatao ao Antananarivo. Maro ireo fijalian’ny vahoaka ilana vahaolana sy enti-manana: ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny; ny fisondrotan’ny vidim-piainana; ny firongatry ny valala… Ka tokony hajanona tsy misy hatakandro ny fandanindaniam-poana tahaka ny teleferika ». Hafana ny fihaonana raha hitan’ireo mpitolona ao La Réunion ny toerana misy ireto olom-panjakana “mifezaka” sy miafina ireto.