Rivo Rakotovao – Niala maina ny mpanao fanadihadian’ny Bianco

Ny Valosoa

Tsy fahita tao anatin’ny 62 taona ny nanjo ny Filoha Rivo Rakotovao, Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha, sady Filohampirenena mpisolo toerana ihany koa tamin’ny taona 2018, nampanantsoina teny amin’ny Bianco (Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly) omaly alatsinainy 13 Jona 2022 tamin’ny 9 ora sy sasany, ny taratasy fiantsoana dia efa tamin’ny 21 Martsa 2022 no voasoratra tao, kanefa tamin’ny faran’ny herinandro teo vao tonga teny ampelatanan’ny Filoha Rivo Rakotovao. F’angamba nalefa fiaramanidina teny Ivato avy eo dia mbola nandalo fadintseranana, izay vao naterina teny Nanisana misy ny toeramponenan’ny Filoha Rakotovao, nahatratra teo amin’ny 70 andro an-dalana izany ilay taratasy fiantsoana.

Ny azo antoka aloha dia antony politika no nahatonga ilay fampiantsoana, satria somary henjakenjana ihany ny fanehoan-kevitra nataon’ity filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha ity, sady hita ho manana ny marina izy amin’izay hevitra avoakany, ka manahirana ny fitondrana, dia tsy maintsy atao izay fomba handemena na hampihorohoroana azy.

Vao naharay ny fiantsoana ny Filoha Rakotovao dia nanambara fa vonona hamonjy ilay fotoana voalaza ary tsy matahotra hiatrika ny fanadihadiana, satria hoy izy nandeha tamim-pahamarinana ny fitantanana tao Anosikely, nisy ny hafatra nataon’ny Antoko Hvm ho an’ny Bianco sy ny fitsarana, mba hanao ny asany araka ny tokony ho izy, fa sanatria tsy ho ataon’ny mpitondra fitaovana politika handetika ny olomarina.

Nahatratra ora telo ny faharetan’ny fanadihadiana natao, avy eo dia afaka nody any an-tranony soa amantsara ny Filoha Rivo Rakotovao. Ny azo lazaina aloha dia miendrika fandikan-dalàna iny fampiantsoana iny, satria lehiben’ny Andrimpanjakana ara-dalàna Andriamatoa Rivo Rakotovao, ary ny voalaza tao amin’ny taratasy dia mikasika ny fomba fitantanana tamin’ny 2019, tamin’ny mbola naha Filoha amperin’asa sy ara-dalàna ity nampanantsoina, noho izany dia tokony ny “Haute cour de justice” (HCJ) ihany no afaka manadihady azy, ary mbola mila ny fankatoavan’ny maro an’isa eny amin’ny Antenimierampirenena vao azo atao ny fanadihadiana.

Efa milamindamina any an-tokantranony ny Filoha Rivo Rakotovao, fa ny Bianco sy izay nampaniraka hijabaka dia niala maina sady azo lazaina ho afa-baraka ihany, ka ny fomba mety hanonerana izay fahafaham-baraka izany dia tsy misy afa tsy ny hoe: ampanantsoina eny amin’ny Bianco koa ireo voasaringotra amin’ny resaka: ecran plat, bonbons sucettes, panier garni, Smmc, sns… dia hambara avy eo hoe tsy aty ianareo no tokony hadihadiana fa any amin’ny “Haute cour de justice”. Dia mety mba ho afaka amin’ny vavan’ny be sy ny maro amin’izay ny eny Ambohibao.