Fitondrana Rajoelina – Misavoritaka ny samy manam-pahefana, misafotofoto ny fitantanana

Andry Tsiavalona

Misafotofoto tsy hifankahitana intsony ny ataon’ny ao amin’ny fitondrana ao momba ny fitantanana ity Firenena ity. Tsy fantatra intsony iza no manao inona, ary iza no nomena andraikitra izatsy na izaroa ho an-dranona. Raha ny mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka no asian-teny dia ny Praiminisitra no manolotra anarana amin’ny filohan’ny Repoblika dia ity farany no manendry. Araka izany dia manana fahefana hanaisotra sy hanendry izay olona eo ambany fiadidiany ny minisitra voatendry ao amin’ny departemanta iandraiketany.

Raha ny fiainan’ity governemanta ity no jerena dia samy manao sy miteny izay mety aminy ny mpikambana, ary tsy manan-kolazaina sy tsy manana fahefana hanitsy na hanaisotra izay mibolila ny Praiminisitra eo anatrehan’izany. Entina manaporofo izany ny ataon’ny minisitry ny fandriampahalemana maniraka mpitandro ny filaminana nanakana sy namely ny làlana tokony nalehan’ny Filohan’ny Repoblika teo aloha, Ravalomanana Marc, raha avy any Tsiroanomandidy izy. Tsy azo inoana fa tsy mahafantatra ny maha Filoham-pirenena teo aloha an-dRavalomanana Marc ny Praiminisitra, ka tsy nanome baiko ny minisitra tsy nanao izany. Azo heverina araka izany fa na efa tsikombakomba nifanarahan’ny mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta izany, na tsy voafehin’ny Praiminisitra ny minisitry ny fandriampahalemana.

Toy izany koa ny nataon’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tany Antsirabe nampiasa ny fampielezampeo rehetra tany an-toerana nanaratsy nandoto saim-bahoaka rehefa nidina ifotony ny antoko TIM, ka nikasa nanamafy ny ambaindainy. Nahazo nanao famorian’olona ny tao amin’ny antoko manohana ny fitondrana kanefa nosakanan’ny prefektiora any an-toerana, fa tsy nomena alàlana kosa ny solombavambahoaka, olomboafidy, na dia tao amin’ny toerana mifefy sady fananan’olompirenena manana zo hanao izay tiany atao ao.

Vao omaly ny omaly dia nifandramatra tamin’ny haino aman-jery ny minisitry ny Fitaterana sy ny nantsoiny ho “madama be” izay maneho ampahibemaso fa tsy azon’iza na iza fehezina, satria ny filohan’ny Repoblika no mamikitra azy eo amin’ny andraikitra nomeny azy. Mety tsy ho ela fa ato anatin’ny andro vitsivitsy dia hahazo vaovao momba izay tena manampahefana marina eo anivon’ny fahefana mpanatanteraka eto amin’ity Firenena ity.

Nifarana tamin’ny Zoma lasa teo koa ilay fikaonandoham-pirenena momba ny fananan-tany izay azo lazaina tsy hamaha ny olana eo amin’ny ady tany manerana ny Nosy mihitsy. Raha fintinina dia misavoritaka ny samy manam-pahefana ao amin’izao fitondrana izao, ka ny fanjakana miady an-trano dia hirodana tsy ho ela. Tsy vitan’izany fa mahatsiaro tena ho malemy koa izao fitondrana izao, ka miezaka mitady ny hevitra sy tetika rehetra handemena ny mpanohitra sy ireo heveriny ho mpifanandrina aminy amin’ny fifidianana ho avy rehetra. Araka ny fanaon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao rehefa misy hetsika ataony tahaka ity fikaonandoham-pirenena ity dia miakatra eny amin’ny haino aman-jery ny mpomba azy dia miaro ny fehinkevitra nivoaka avy ao.

Ny tsapa dia tsy manana vahaolana ireny mpiaro ny fitondrana ireny, fa miaro tena sy manasongadin-tena ho mahavita zavatra ary misikotra vahaolana amin’ny hafa sy manilika andraikitra hatrany. Raha mpitondra tena mahafehy ny toe-javatra rehetra dia afaka manome rariny ny mpiray firenena manoloana ny fibodoan’ny karana sy sinoa ny tany. Etsy ankilany koa dia misy olona milaza ho manana mpiaro any ambony any, ka tsy miraharaha ny mpiray tanàna aminy ary manao didin’ny besandry ary tsy mitandro ny fiaraha-monina toy ireny afaka miolonolona sy mahavita tena ireny.

Hanao fikaonandoham-pirenena momba ny fambolena sy fiompiana indray hono amin’ny faramparan’ity volana jona ity. Tato anatin’ny efatra taona dia tsy nihevitra izay hampiroboroboana ny fambolena ny governemanta sady tsy nanao laharampamehana ity sehatra ity, ka saika namitaka ny tantsaha tamin’ny fambolena “Artemisia” fa tsy hamboly vary intsony. Tsy nataon’ny fitondrana ihany koa izay nividianana ny varin’ny tantsaha, fa ny nahamay azy dia ny nanangana orinasa mpanafatra vary sy ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro izay mamono ireo an’ny Malagasy efa mitsangana. Raha ireo toe-javatra ireo no jerena dia tsy milamina izao fitondrana izao eo amin’ny sehatra rehetra, ka tsy maintsy hipoaka ihany ny sarom-bilany.