Olana samy hafa eto amin’ny firenena – Ny fialan’izao fitondra izao no vahaolana hoy Rolland Ratsiraka

Niaina

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny depioten’i Toamasina I, Rolland Ratsiraka ny faran’ny herinandro teo. Ny fialan’izao fitondrana Rajoelina izao ihany no vahaolana amin’ireo olana samy hafa misy eto amin’ny firenena ankehitriny hoy izy.

Nilaza ity olom-boafidy ity fa: “tsy misy afa tsy ny fialan’izao fitondrana izao no ahafahana mamaha ny olana misy eto amin’ny firenena, indrindra fa ny olana ao amin’ny Jirama. Ny fiarahamiasan’ny fanjakana sy ny Orinasa izay mpanafatra Solika izay azoko lazaina hoe efa tapaka tanteraka. Manao “forcing” ny Fanjakana hoe “Réquisition” dia alaina any amin-dry zareo ny carburant. Mangalatra amin’ny fomba ofisialy anie izany ny fanjakana e! Fananan’ilay olona ilay Zavatra. Zavatra tsy naloanao vola ary ianao ananany trosa dia lasa ianao mampiasa mpitandro filaminana miaraka amin’ny Zandary sy Miaramila dia alainao ilay Solika ampiasainao. Fomba fitantanana tsy mandeha amin’ny laoniny izany. Misy any amin’ny 100 milliards Ar mahery ny vola voahodina olona ambony eto amin’ny tany sy ny Firenena sy olona mpiara-miasa akaiky amin’ny fitondrana tratran’ny BIANCO nanao détournement de fonds. Zavatra fanta-poko fantam-pirenena ary nandalo tamin’ny Fitsarana kanefa tsy nisy olana, sady tsy voasazy koa ry zareo fa toa mbola miriaria any foana. Ohatra iray izany, fa ny halalin’ny zavatra tahak’izany mbola misy be dia be. Misy groupe électrogène vidiana, nefa groupe efa simba avy any dia amboarina dia maty ho azy. Io fitondrana io dia tsy afaka manohy hitondra intsony. Ny olan’ny Jirama tsy ho voavaha na amin’ny herintaona aza.”