Rivo Rakotovao sy ny HVM – Miray feo amin’ny antso nataon’ny filoha Ravalomanana koa

Isambilo

Miray feo, na manohana ny antso nataon’ny filohan’ny RMDM sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana koa, ny mpandrindra nasiônalin’ny antoko HVM, Rivo Rakotovao.

Nambarany fa : « rariny raha manao antso avo amin’ny vahoaka Malagasy ny filoha Marc RAVALOMANANA, loza eo amin’ny lafin’ny demôkrasia ny fanakanana olona iray tsy haneho ny heviny, sy ny tsy fahazoany mivezivezy eto amin’ny taniny, izay fihetsika ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana. Ho anay HVM, miroso mankany amin’ny jadona ity fitondrana ity, satria isan’ny singa iray milaza izany, manao ny tiany hatao izy ireo na tsy ara-dalàna aza. Hanao ahoana noho izany ity fifidianana ity, manoloana ny fomba sy toetra ataon’ny fitondrana amin’ity tsy refesi-mandidy ity. Izahay dia isan’ireo manao antso avo, mba hijoro manoloana izao zavatra izao, satria tandindonin-doza ny kely efa mba nananana toy ny firosoana tany amin’ny firenena moderina manaraka ny fenitra ara-demôkratika, potehin’ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao anefa izany. »