Serge Zafimahova – Tsy misy fampiasam-bola ho tonga izany eto alohan’ny fifidianana

Stefa

Naneho ny heviny mahakasika ny raharaham-pirenena, indrindra ny momba ny mety hanaovan’ny Groupe Al Jaber avy any amin’ny Emirat Arabo Mitambatra ny Tanamasoandro eny Imerintsiatosika, ny mpanao politika Serge Zafimahova. Nambarany fa tsy hisy fampiasambola ho tonga izany eto Madagasikara, mialohan’ny fifidianana ho tanterahana eto amintsika amin’ny taona 2023, tsy hanary ny volany eto amintsika amin’izao fotoana izay isian’ny krizy izao ny mpampiasa vola, hoy izy.

Nambarany koa fa misy tombontsoa ao, fa tsy hanao soa eto izany io vondrona orinasa avy any Dubaï io. Tsy tongatonga ho azy koa iny fandehanana tany Dubaï iny, fa misy idiran’ny banky “Rothschield”, rehefa tsy azo ilay “marché obligatoire” nangatahana tamin’ny FMI, hoy ihany i Serge Zafimahova. Izany hoe mitady famatsiambola ambadika na financement parallèle amin’izao fotoana ny fitondrana Rajoelina. Tsy hanao asa soa izany io firenena Arabo io, misy tombontsoany ao matoa izy hanao zavatra aty. Aza adino hoy ity mpanao politika ity, fa ny “Trafic d’or” dia any amin’ny “Emirats Arabes Unis” avokoa ny lalan’ny volamena Malagasy amin’izao fotoana izao. Na izany aza, izy ireo dia mijery koa ny risika politika, nohamafisiny, fa tsy misy fampiasam-bola ho tonga izany eto alohan’ny fifidianana amin’ny taona 2023. Aoka hazava, fa ny fifanaovan-tsonia tsy milaza hoe hisy ny fampiasam-bola.

Ankoatra izany, nanambara i Serge Zafimahova, fa nisy ny fivorian’ny Vondrona Afrikaba, izay fivoriana mahakasika ny “stabilité de l’Afrique”, tsy tonga tany na ny filoha na ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy, midika izany fa misy ny disadisa eo amin’ny firenena Malagasy sy ny Vondrona Afrikana.