Fikambanana ministra sy depiote teo aloha – Manohana ny antso nataon’ny filoha Ravalomanana koa

Nangonin’i Niaina

Manohana ny antso nataon’ny filoha Marc Ravalomanana koa ny fikambanan’ireo ministra sy depiote teo aloha, mivondrona ao amin’ny AMMP. Misy ny fanambarana nataon’izy ireo mahakasika izay.

”Izahay mpikambana ao amin’ny Association des Anciens Ministres et Parlementaires (AAMP) dia manamafy ny antso izay nataon’Adriamatoa Marc RAVALOMANANA Filoham-pirenena teo aloha; ary manamafy ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, mba hifandinihan’ny samy Malagasy mahakasika ny fanomanana ny fifidianana hifandimby eto amin’ny tany sy ny firenena. Dia mbola hamafisinay ihany koa ny fanohanana ny fanambaràna izay navoakan’ny Vondrona Eropeanina ny 13 Mey 2022 lasa teo,” hoy izy ireo.