Mpanohitra RMDM sy Vondrona Panorama – Mamondron-kery fa latsaka an-katerena ny firenena

Isambilo

Nihaona teny Faravohitra, trano fonenan’ny filoha Marc Ravalomanana afak’omaly, ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sy ny avy amin’ny Vondrona Panorama, izay samy hery politika, ao anatin’ny fanoherana eto amintsika amin’izao fotoana. Namaly ny antson’ny Filoha Marc Ravalomanana ihany koa, ny fanoherana ao anatin’ny vondrona Panorama, nandritra izany, satria voahitsakitsaka ny demôkrasia sy ny lalampanorenana eto amintsika ankehitriny, noho ny tsy fanajana izany, ataon’ny fitondrana Rajoelina. Ilaina ny mampitovy tadin-dokanga, mba hanamafisana, fa ilaina ny fifampidinihana na ny concertation nationale mialohan’ny fifidianana.

Toy izany koa ireo mivondrona ao amin’ny fikambanana Avara-pianarana avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, raha mahita ny fahantrana lalina mianjady amin’ny mponina any Atsimo Atsinananana, dia manainga ny rehetra, mba hanohana ny antson’ny Filoha Ravalomanana, mba hamondrona hery sy hiray hina, fa latsaka an-katerena ny firenena.