Delestazy – Nampijaly indray ny Jirama, be ny entana sy zavatra simba

Stefa

Fahatapahan-jiro teto an-drenivohitra sy ny manodidina, nampijaly indray ny orinasa Jirama, na ny orinasa Jiramaty omaly, hoy ireo izay tena tezitra amin’ity orinasa ity sy ny mpitantana azy, noho ny delestazy misy sy tsy mety voavaha nefa nanambara ny ministra tompon’andraikitra, fa tsy hisy intsony izany amin’ity volana jona ity.

Inona anefa no teo, raha ny kely, im-polo tapaka ny jiro omaly, ary ny farany tena naharitra ela, nahatratra ora roa na mahery mihitsy aza. Vokany, be ny entana sy ny zavatra simba ho an’ireo olona tsy maintsy mampiasa vata fampangatsiahana, be ny fatiantoka ho an’ny tsy maintsy mampiasa jiro hiketrehana,…