Fakana an-keriny tovovavy – Mihorohoro Antananarivo sy ny manodidina

Stefa

Noho ny fisiana tranga fakana an-keriny tovovavy, sy tsy fahitana tovovavy tato ho ato, mihorohoro ankehitriny Antananarivo sy ny manodidina. Araka ny nambaran’ny tratr’izany fakana an-keriny izany, na ny fianakaviany, voalaza fa fiara tsy mataho-dalana 4 x 4 no manao izany fakana an-keriny izany eto an-drenivohitra.

Raha tsiahivina, tovovavy iray no tsy hita andro maromaro lasa izay, andro vitsivitsy taty aoriana, nisy nanipy teny Ambohimiandra ity tovovavy ity ary tsy nahatsiaro tena. Vao afak’omaly indray, tovovavy iray no voalaza fa nisy nanindrona, tsy nahatsiaro tena, teny amin’ny 67 ha avy eo vao hita nisy nanipy koa. Voalaza hatrany fa fiara 4 x 4 hatrany no nanao izany. Amin’izao, ao anaty tambazotran-tserasera sôsialy facebook, misy filazana tsy fahitana tovovavy, ohatra: tovovavy iray niainga teto Antananarivo ho any Mahajanga, mbola tsy hita hatramin’izao.

Manoloana izany rehetra izany, nanao fanambarana ny ao anivon’ny polisim-pirenena, ny tokony haha-mailo hatrany ny tsirairay raha vao misy mampiahiahy ary hampandre avy hatrany ny mpkitandro filaminana. Araka ny fanambaran’ny ao amin’ny Polisim-pirenena: efa mandray andraikitra manao fanadihadiana ireo tranga 2 nisesy ny mpitandro filaminana isan’ambaratongany (Brigade criminelle, Cybercriminalité, stupefiants, police des moeurs…). Nohamafisina ny fepetra fanaraha-maso eny amin’ny toeram-pianarana iarahana amin’ny CISCO Antananarivo Renivohitra, sy toerana hafa mahavory olona ary indrindra ny faritra misy ny fidirana sy fivoahana ny renivohitra.

Mangataka ny vahoaka sy ny ray aman-dreny rehetra ho tony ary tsy hisalasala hampandre ny manam-pahefana ihany koa, raha misy fiara na olona mampiahiahy ary hanome azy ireo ny vaovao hitany. Ny laharana telefônina antsoina dia ny: 𝟬𝟮𝟬 𝟮𝟮 𝟮𝟴𝟭 𝟳𝟬.