Tsy fanajana lalàm-panorenana sy demôkrasia… Manao ranolava ny fanohanana ny fanambaran-dRavalo

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra eto Madagasikara (RMDM), sady filoha nasiônalin’ny antoko TIM, ny alatsinainy lasa teo, sy manoloana ny tsy fanajana ny demôkrasia sy ny lalàm-panorenana miverimberina ataon’ny fitondrana Rajoelina, nanao fanambarana ny “Collectif des Citoyens Malagasy Maneran-tany”. Nanambara izy ireo fa handray ny andraikiny na eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, na ny aty an-tanindrazana ihany koa. Maromaro ireo fikambanana nanao izany fanambarana fanohanana ny fanambaran’ny filoha Ravalomanana izany, toy ny : K25 Benelux (Belgique-Netherlands-Luxembourg), ny GTT La Reunion, Pro-Ravalomanana, ny K2, VVSD (Vehivavy Vonona Sahy Diaspora,…

Toy izao ny santionan’izany fanambarana izany:

”Izahay vondrona, manohana ny Filoha Ravalomanana Marc ho Filohampirenena miray amin’ny fiombonambe “Collectif des Citoyens Malagasy Maneran-tany” dia manao izao fanambarana izao, tao aorian’ny nahafantaranay ny tsy fanajana ny demôkrasia sy ny fanitsahana efa ho lavareny ny lalàm-panorenana.

Manohana tanteraka ny fanambarana nataon’ny lehiben’ny mpanohitra ny 30 mey 2022 lasa teo.

Manohana sy manainga mavesatra ireo Malagasy rehetra na any an-tanindrazana na aty am-pita hifanome tanana sy hery, hiarovana ny tany tan-dalàna.

Miantso ary hiantso sy handray andraikitra avy hatrany eo amin’ ny tandrify misy anay eo anivon’ny sehatra iraisam-pirenena, hanamafy ireo tsy fanarahana lalàna sy jadona mihàtra ao Madagasikara.

Miantso ihany koa ireo manana traik’efa rehetra na amin’ny sehatry ny toekarena, sosialy, ara-piarovana… hifanome tanana hiaro ny firenena sy ny ho avin’ny taranaka.”