Fanafodin’ny corona: Ed1 – Vaky ny ady eo amin’i Dr Edmond sy Ny Rado

Niaina

Vaky ny ady amin’izao fotoana eo amin’ny mpandraharaha sady mpanao politika Ny Rado Rafalimanana, sy ny dokotera mpamokatra fanafody Rakotomalala Edmond na Ra-Edmond. Mifamaly amin’ny alalan’ny tambazotran-tesrasera facebook izy ireo amin’izao fotoana. Milaza ny dokotera Ra-Edmond, fa mpisandoka ity mpanao politika ity, fa tsy nanampy azy tamin’ny famokarana fanafody izany Ny Rado, ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana ihany no nolazainy fa namany. Andaniny kosa Ny Rado Rafalimanana dia nanambara fa gaga tamin’ny fanambaran’ity dokotera ity.

Nanambara ny dokotera Rakotomalala Edmond fa: ”manoloana ny fanehoana iray niparitaka tao amin’ny tambazotran-tsosialy Facebook izay mamafy lainga sy fitaka ary fisolokiana dia nametraka hafatra maika sy manokana hoan’ny Zandarimaria sy ny vahoaka Malagasy rehetra aho: dokotera RAKOTOMALALA Edmond, izay nikaroka sy namorona ny fanafody Ed1. Ho anareo namana rehetra eto amin’ny Firenena indrindra fa isika ato amin’ny fitondrana ary ianareo mpitandro filaminana isan-tsokajiny, izaho tsy manana namana n’iza n’iza afa-tsy ny fitondrana ankehitriny sy ny mpitandro ny filaminana. Ka gaga aho mahita publication any amin’ny Facebook, fa misy mpanao politika iray miseho fa namako sy mamatsy fitaovam-pamokarana fanafody aty amiko. Tsy marina izany tompoko ary laviko marindrano. Manentana ny rehetra, ny zandarimariam-pirenena, mba hitandrina fa tsy kely lalana ny ratsy ka sao voafitaka isika; indrindra fa ny fahasalamam-bahoaka dia tsy azo atao kilalao,” hoy izy.

Ankilazan’izany, namaly Ny Rado Rafalimanana fa: ”Sadaikatra ihany ny tenako raha nahita ilay fanehoan-kevitra miparitaka amin’ny Tamban-jotra serasera! Saika tsy haneho hevitra ny tena, kanefa tsara ihany angambany hitondrana FANAZAVANA ho fanitsiana. Ny Tanjoko sy ny Orinasako hatramin’izay ka hatramin’izao dia ny hanampy sy hitondra ny mety hanatsarana ny Vokatra VITA MALAGASY. Izay ilay Block Chain Madagascar. Tsy misy idiran’ny Politika velively izay, fa fanohanana samy fandraharahana feno. Eny, anisan’ny vokatra iray izay nahavonjy ny Malagasy ny ED1, ary ny anjara biriky tandrify nentiko sy mbola ho hentiko sy ny orinasako dia ny haha-lavorary izany. Aza adinontsika, fa nanao lahateny ofisialy momba an’io ED1 ny Filohampirenena ny taona 2021 ary niteny mazava ny hijerena ny Andrana Essai Clinique, mba ho sitrahan’ny Malagasy. Setrin’izay, maro ireo tonga nanohana amin’ny hanatsarana ny Ed1; ary anisan’izany ny tenako sy ny vondron’ orinasako. Fehiny, ny tanjontsika hatrany dia ny hifanampiana samy Malagasy, sy indrindra hanandratra avo ny vokatra Malagasy, ho reharehantsika Malagasy manerana an’izao tontolo izao. Fehiny, tokony halavirintsika ny fifankahalana samy Malagasy, satria tsy afaka handroso mihitsy isika raha toa ka hifamotika eto lava, ary TSARA LAVITRA foana ny mifanohana, mba ho samy mandroso isika Malagasy Maka lesona ny omaly, hanatsarana ny anio, hampandrosoana ny ampitso,” hoy izy.

Arak’izany, mafanafana ny raharaha eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ho hitantsika eto ihany ny ho tohiny.