Volana jona – Firenena faraidiny hiatrika ny fetim-pireneny

Sôh’son

Miditra amin’ny volana faha-enina amin’ity taona diavina ity sahady isika. Mihazakazaka ny andro sy volana ary mitapaka ny taona. Tsy toy izay anefa ny fivoaram-piainan’ny vahoaka malagasy tsy mandady harona, fa mifanohitra amin’izay. Mihemotra ny fari-piainana ary mipàka hatrany amin’ny fari-pisainana izany. Mihitsoka ao anaty fahantrana lalina ny sarambabem-bahoaka ary tsy misy fanafana haingana mba hany hitan’izao fitondrana Rajoelina izao hanalàna azy ao anatin’izany. Ny 81% ny vahoaka malagasy no miaina ao anatin’izay fahantrana lalina izay raha araka ny tatitra avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, izay namaritra ho 2,15 dolara isan’andro ny vola miditra amin’ny fetra iraisam-pirenena amin’ny fahantrana na ny “seuil international de pauvreté”. Efa niaiky sy nametraka ny firenena ho faraidiny indrindra maneran-tany rahateo ny filohan’ny Repoblika Rajoelina tamin’ny fankanesany tany amin’ny fihaonana an-tampon’ny Banky iraisam-pirenena. Ny mahavariana dia tsy menatra izy amin’izany hoe ny vahoakany sy ny fireneny fadiranovana mahantra velona, fa izy mianakavy eo amin’ny fitondrana migalabona amin’ny harena sy fiadanana. Moa maty eritreritra sy minia mikimpy anoloan’ny zava-misy manjo ny vahoaka? Vahoaka sy firenena ho very tsy ho ela sanatria raha toy izany tokoa ny mpitondra.

Etsy ankilan’izany, rehefa volana jona toy izao, dia hanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy sy ny fankalazana ny fetim-pirenena. Rehefa miresaka fetim-pirenena dia fiandrianam-pirenena ao anatin’izany. Hatraiza ny maha sarotiny sy maha saropiaro ny fitondrana Rajoelina izany fiandrianam-pirenena izany? Mba miresaka fe miresaka an’izany izao fitondrana izao, fa miendrika fihatsarambelatsihy no betsaka raha ny fahitan’ny mpandalina ny fiainam-pirenena. Santionany amin’izany ny tsy fahasahian’ny fitondrana mitaky mahitsy sy tsy an-kitsahatra amin’i Frantsa ny famerenena ireo Nosy malagasy bodoiny mandraka ankehitriny. Tamin’ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena no hoe tsy maintsy miverina amin’i Madagasikara ireo Nosy manodidina ireo. Nidehaka an’izany Rajoelina tamin’izany kanefa hatraiza ny zava-misy hatreto momba izany. Izy zary nangina tao anatin’izay taona nitenenany an’izany. Efa namaky bantsilana an’izany fihetsiky ny fitondrana izany ny antoko Otrikafo.

Ankoatra izay, saika ireo tomponandraikitra rehetra eo anivon’izao fitondrana izao, dia tsy manome lanja ny teny malagasy. Tsy hay lazaina intsony ny fanaovana teny vary amin’akotry amin’ny fandraisana fitenenana etsy sy eroa na any amin’ny haino aman-jery. Saika mbola teny frantsay aza no miasa amin’ny fifampitam-baovao eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana. Ny teny anefa no anisan’ny iray lehibe iankinan’ny fiandrianam-pirenena. Tsy voatandro anefa izany, ary izao fitondrana izao aza tsy hita ho mavitrika manohana ireo hetsika ataon’ireo fikambanana mandala ny teny malagasy izay tao anatin’izao nitondràny izao. Fihetsiketsehana be, fampiresahana sy fampiesonana ny vahoaka malagasy fotsiny no “bobaka” araka ny fitenenana. Ho hita eo ny ho ataony amin’ity volana ity.