Moramanga-Ambila – Hiverina hitatitra olona hanomboka anio ny fiaran-dalamby

Aly

Hiverina hitatitra olona hanomboka anio ny zotran-dalamby Moramanga faritra Alaotra Mangoro, mankany Ambila distrikan’i Brickaville faritra Atsinanana. Hiverina hiasa arak’izany ny “Trains de voyageurs”, na fiaran-dalamby mpitatitra olona. Miainga avy ao Moramanga ary hipaka hatrany Ambila Lemaitso io fiaingana voalohany io. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra, mbola misy fandaminana kely ny fiaingana avy any Toamasina. Isan’izany ny fampanarahana fenitra ny “quai”, na ny toeram-pandraisana ny mpandeha amin’ireny fiaran-dalamby ireny. Vinavinaina handeha alohan’ny 23 jona kosa, ny fiaran-dalamby hitatitra olona, miainga avy any Toamasina, ka hipaka hatrany Moramanga.