Fitondrana Rajoelina – Toa mamerina ny fomba ratsy tamin’ny revôlisiôna sôsialista

Andry Tsiavalona

Miverina indray ny fomba ratsy nataon’ny fitondrana nandritra ny Revôlisiôna Sôsialista, ka nisian’ny filaharana nividianana ireo kojakoja ilain’ny mponina andavanandro toy ny vary, menaka, savony, sns… Nasiana ihany koa ny « tsaky popy », kanefa tsy nanala ny fahasahiranan’ny vahoaka izany. Tsy azo adinoina ihany koa ny fiampangana manamboninahitra ambony ho nitady hamono ny filohan’ny Repoblika II. Ny nahavariana tamin’izany fotoana izany dia tsy nisy velively ny fahalalahana naneho hevitra sady tsy nisy antoko politika mpanohitra, fa nasaina nivondrona tao amin’ny nantsoina ho « Mandatehezan’ny Tolom-piavotana ny antoko nijoro. Nisy ny « polisy politika » ary nitsangana mihitsy ny tribonaly ekonomika ary voafetra ny vola vahiny azo nentina nivoaka.

Nijoro ny ray aman-dreny, Monja Jaona, nanohitra ny taona 1977, saingy nosamborina dia nalefa tany Ankilivondraka « tanàna voaara-maso » (résidence surveilée). Tsy azo lavina kosa anefa fa tamin’izany no nitsangana ny Oniversite enina tany amin’ny renivohitry ny faritany dimy ankoatry ny teto an-drenivohitra. Maro ireo tanora afaka nandranto fianarana tany ivelany na dia nisy aza ny sivana sy ny « quota ethnique ». Tetsy ankilany anefa dia nanangana fotodrafitrasa toy ny « idée 21 » izay tsy niteraka vokatra na inona na inona teo amin’ny sehatra sosialy na ekonomoka ny fitondrana tamin’izany. Isaky ny nandeha tany ivelany ny filohan’ny Repoblika tamin’izany fotoana izany, no nisy tranga nolazaina fa nanohintohina ny filaminana.

Amin’izao fotoana izao dia mahantra fadiranovana ny sivifolo isan-jato maherin’ny vahoaka Malagasy. Tsy mazava ny fampiasana ny vola fanampiana avy any ivelany ka asaina milahatra « vatsy tsinjo », « tosika fameno » ny mpiray Firenena, tsy ny rehetra anefa no misitraka izany, fa misy ny fanavakavahana ara-politika. Nisy koa ny fizarana vola ho an’ny vondron’olona sasany izay sahirana kanefa tsy nahavita taona izany fa indray mandeha tsy niverina ihany. Nisy koa hono ny tetika saika namonoana ny filohan’ny Repoblika, « Apollo 21 », ka niampangana manamboninahitra ambony ihany koa. Tsy misy tohiny avokoa ireo trafika isan-karazany tratra tany ivelany ary tsy misy voasambotra ireo mpandraharaha tsy namerina ny vola vahiny (rapatriement de devises), na dia nolazaina aza fa misy izy ireo any am-pelatànan’ny mpitondra. Miakatra tsy misy fitsaharana ny vidim-piainana dia ny vahaolana hitan’ny mpitondra dia ny manafatra ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro, ka naverina indray ny tsena mora etsy sy eroa kanefa toa ny an-tanàn-dehibe ihany no misy izany. Ny any ambany ravinkazo rehetra any dia tsy mba misitraka izany. Tany Atsimo izay nisy ny kere aza dia nozaraina vary masaka ny mponina ary indray andro dia ny filohan’ny Repoblika sy ny vadiny, no nirotsaka nandoatra izany. Patsa indray mahandro tokoa ka ny ampitso dia niverina nihinana izay voankazo hita indray ny mponina.

Zarina omem-potsiny ny vahoaka, ka rehefa tsy misy dia tsy manana hery entina miasa entina mamokatra akory. Izao vao milaza hanao fivoriana hitadiavana tetika hampiroboroboana ny fambolena sy fiompiana satria hahazoana famatsiam-bola izany. Tsy misy ny fahalalahana demokratika, ka vao omaly dia sakanana tsy hamory olona ny antoko TIM, tany Antsirabe kanefa ny antoko eo amin’ny fitondrana dia omena alàlana. Tsy mitsahatra ny fanitsakitsahana ny lalàna velona ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao. Eo amin’ny sehatra fananganana fotodrafitrasa indray dia faly mitokana ireo zava-bita efa nahazoana famatsiam-bola tamin’ny fitondrana teo aloha no atao, misy aza ireo efa nijoro no lokoina lokom-boasary.

Eo amin’ny resaka fifamoivoizana dia potika ireo làlam-pirenena, ny an-tanàn-dehibe dia feno lavadavaka, izay miteraka fitohanana izay tsy izy. Manao andrana ny eto an-drenivohitra kanefa mbola ny teo ihany no eo, hany ka manambara ny ben’ny tanàna fa ny “télépherique” ihany no vahaolana. Misy aza ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna no miteny, fa ho foanana mihitsy hono ny fiara fitateram-bahoaka, ka ny fitaterana an-tariby no hasolo izany. Tsy fantatry ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna ve hoe olona firy no zakan’ny “cabine” iray ary hisy fiantsonana daholo izany eny amin’ireo toerana misy izany amin’izao fotoana izao. Hanampy trotraka izany ny fahatapahan-jiro tsy misy farany, ka hihantona eny ambony eny izany ny mpandeha sa efa misy elon’aina ao amin’ny “cabine” ka raha sendra misy izany dia mitsambikina fotsiny ny mpandeha na tsy mbola tonga any amin’izay halehany aza.

Mpanjakan’ny hala-tahaka sy mamerina ny fomba fanao ratsy tany aloha, izay tsy nitondra fivoarana sy tsy nampisy fampandrosoana, izao fitondrana ka na hidona amin’ny rindrina na hifoteran’ny ataony. Mahaiza manetsa ravaly, fa hafa ny anio sy ny omaly.