Filoha Ravalomanana – Efa mihoatra ny fefy ny zava-misy, miantso ny olon-drehetra tsy ankanavaka hijoro

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny krizy samy hafa eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, izay tsy voavahan’ny mpitondra intsony, manoloana ny fanitsakitsahana ny demôkrasia sy ny lalampanorenana ary ny lalàna iraisam-pirenena ataon’ny fitondrana Rajoelina, nanao fanambarana omaly ny filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasiônalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana. Efa mihoatra ny fefy ny zava-misy eto amintsika hoy izy. Niantso ny olom-pirenena rehetra hijoro izy nandritra izany, miantso fikaonandoham-pirenena ihany koa, handraisan’ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena tsy ankanavaka anjara, toy ny: antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena, ny sendika, ny avy amin’ny fiangonana samihafa misy eto amin’ny firenena,… hiara-hidinika hijery vahaolana mahomby, sy ho eken’ny rehetra ireo fifidianana ho avy eto amin’ny firenena:

« Mandalo krizy ara-toekarena sy ara-tsosialy tsy mbola nisy toa azy ny firenena, izay mahatonga ny ankamaroan’ny mponina iaina ao anatin’ny fahantrana lalina. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, na an-tanàn-dehibe na any ambanivohitra, ary tsy misy vahaolana mazava atolotry ny fanjakana amin’izany rehetra izany. Io fahantrana ankapobeny io, dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahombiazan’ny fitondrana ankehitriny.

Lasa laharam-pahamehan’ny fitondrana anefa ny fandraràna ny antoko TIAKO i MADAGASIKARA (TIM) tsy hanao ny «redynamisation», na ny fameloma-maso ny antoko any amin’ny Faritra, toy ny niseho tany Antsirabe ny sabotsy 28 mey teo. Fanitsakitsahana ny lalàna iraisam-pirenena io fandraràna io, indrindra ny Fanambarana Iraisam-pirenena momba ny Zon’olombelona sy ny Fifanekena Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika (Pacte International Relatif aux Droits Civils et Droits Politiques), izay nankatoavin’i Madagasikara tamin’ny 1971.

Ankoatra izany, ny Lalàm-panorenana dia miantoka ny fahalalahana maneho hevitra ao amin’ny andininy faha-10, ary ny “zo hivezivezy malalaka manerana ny tanin’ny Repoblika” ao amin’ny andininy faha-12. Ny fanakanana sy fisavana ny delegasiôna notarihin’ny Filoha nasionalin’ny TIM, sy ny fandrarana ny fameloma-maso, izay nokasain’ny antoko TIM hatao tao Antsirabe ny sabotsy 28 mey 2022, dia tena fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana.

Fanararaotam-pahefana ireny fepetra noraisina tamin’ny mpanohitra ireny, ary ny mpitandro ny filaminana dia lasa atao herim-pamoretana ara-politika iarovana ny tombontsoan’ny antoko eo amin’ny fitondrana.

Ny zava-mitranga amin’izao fotoana izao, dia afahana milaza sahady fa tsy azo antoka ny hisian’ny fifidianana malalaka sy mangarahara, ary eken’ny rehetra. Efa mipetraka avokoa ny zavatra rehetra, hanerena ny fandresen’ny kandidam-panjakana amin’ny fifidianana ho avy.

Araka izany, dia manameloka mafy ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny antoko TIM, sy ny antoko mpanohitra amin’ny fikarakarana fivoriana politika am-pilaminana izahay.

Ary manameloka ny fanararaotam-pahefana sy ny ramatahora ataon’ny fitondrana amin’ny mpanohitra, sy ny olom-pirenena tsy mitovy hevitra ihany koa izahay.

Noho izany, manao antso avo amin’ny antoko politika rehetra, ny fiarahamonim-pirenena ary ny olom-pirenena rehetra izahay, hanohitra ny fametrahana ny jadona eto amin’ny firenena. Aoka tsy avela hilentika ao anatin’izao fahoriana mihoa-pampana sy tsy rariny atao azy izao ny Malagasy.

Miantso ny mpitandro filaminana, miaramila, zandary ary polisy koa izahay mba tsy hanaiky ho atao fitaovana politikan’ny mpitondra intsony. Ny andraikitrareo dia ny manompo ny firenena sy ny fiarovana ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ny olom-bitsy. »