EDITO 31 Mey – Very 10 taona mahery i Madagasikara amin’ny resaka lalana

Sôh’son

Anisan’ny namosaviana sy namitahana ny saim-bahoaka teto amin’ny firenena tamin’ny fotoana niketrehan’ireo olom-bitsy fanonganam-panjakana ny taona 2008 – 2009, ny filazana hoe: « tsy azo hanina ny lalana ». Ary tsy ny vahoaka fotsiny no nofitahina tamin’izany, fa ny firenena mihitsy no nampikatsoina sy niniana nikimpiana nopotehina.

Iaraha-mahalala tsara mantsy ny maha zava-dehibe ny lalana raha eo amin’ny lafiny toekarem-pirenena. Anisan’ny lalana manandratra ny firenena ara-toekarena ny fananana lalana tsara. Nahatsinjo izany ny filoha Ravalomanana, ary niezaka nanatanteraka izany noho ny fitiavany ity firenena ity. Nanaovany asa avokoa ny lalana marobe nanerana ny Nosy. Tsy niahotra anefa ireo mpanongam-panjakana notarihin-dRajoelina fa niezaka namafy lainga tamin’ny vahoaka amin’ny fanaovana tsinontsinona ny lalana tsy hampandroso ny firenena.

Ankehitriny anefa, vao tsapany tsara ny maha zava-dehibe ny lalana. Izy ireo ilay nilaza tamin’izany fotoana fa “tsy azo hanina ny lalana”. Izao vao mody miseho, fa izy no mpitondra miezaka hahavita lalana eto amin’ny firenena. Idedahana ny fanamboaran-dalana amin’ny faritra samihafa na dia fifampiraharahana efa nataon’ny fitondrana teo alohany aza ny ankamaroany. Azo hanina indray angaha ny lalana? Hadisoana bevava nataon’ireo olom-bitsy mpanongam-panjakana tamin’ny 2009 teto amin’ny firenena izany, ka moa ve avelavela ho azy amin’izao fotsiny?

Very 10 taona mahery ny firenena amin’ny sehatry ny fampandrosoana miankina amin’ny lalana, raha izao vao mihevitra ny hiroso amin’izany ihany. Ny firenen-kafa ao anaty folo taona izany efa nahavita ezaka lavitra. Tsy atao hahagaga raha toa ka lazaina fa afaka 70 taona i Madagasikara vao hahatratra ny fari-piainan’i Rwanda amin’izao fotoana izao. Very lavitra i Madagasikara, ary faraidiny ny vahoaka malagasy. Hadisoana be vava natao tamin’ny vahoaka malagasy ny natao tamin’ny taona 2009. Maneho fahatarana ara-tsaina tamin’ireo mpiketrika fanonganam-panjakana izany rehetra izany.