Fifamoivoizana misavoritaka – Miaiky ny tsy fahaizany i Vazahabe

Stefa

Nametraka lamina vaovao ny Kaominina Antananarivo Renivohitra(CUA), tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe: Naina Andriantsitohaina, herinandro mahery lasa izay. Vao mainka misavoritaka anefa ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra tao aorian’izany fandaminana izany.

Amin’ny 6H30 maraina eo dia efa manomboka ny fitohanan’ny fifamoivoizana amin’ny manodidina an’Analakely sy Ambohijatovo, mipaka any Anosy sy Anosibe, Soanierana,… raha amin’ny 7h, na amin’ny 7h mahery vao nanomboka izany fitohanana izany, tamin’ny fandaminana teo aloha.

Tao amin’ny tambazotran-tserasera twitter, niaiky izay tsy fahombiazany, sy tsy fahaizany izay ny ben’ny tanàna sy ny ekipany: “lany aiky Vazaha be, telepherique ihany no vaha-olana”, araka ny nambarany. Midika izany, fa miaiky ny tsy fahaizany ny ao amin’ny CUA, teleferika no heveriny ho vaha-olana, nefa tsy hahavaha olana koa izany, satria olona no handeha amin’ny teleferika fa tsy fiarakodia. Ny fiarakodia hifamezivezy ety ambany tsy hiova ny isany, ny olona ho taterina amin’ny teleferika anefa tsy haharaka ny saran’izany raha hisy ihany, satria ny bus class 1500 Ar aza ny saran-dalany, tsy misy mpitaingina, mainka fa teleferika hatao ho 3000 na 4000 Ar ny saran-dalany, vao mainka ho jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana, raha hisy tokoa.

Ny tsapa aloha hatreto, tsy ho vita izany teleferika izany, na ho vita aza, tsy ho amin’ny fotoam-piasan’ny filoha Rajoelina sy ny ben’ny tanàna Vazahabe amin’izao, fa ny mpitondra vaovao handimby azy ireo eo, no mety hahavita sy hisitraka izany.