Vehivavy TIM-Frantsa – Mandray anjara mivantana mampandroso ny firenena

Nangonin’Isambilo

Mandray anjara mivantana, mampandroso ny firenena aty Madagasikara ny Vehivavy Tiako i Madagasikara any Frantsa, na Vehivavy TIM Frantsa. Handray anjara mavitrika ihany koa izy ireo hampandany ny filoha Marc Ravalomanana ho filoha indray, amin’ny fifidianana ho avy eto amintsika.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo amin’ny fankalazana ny fetin’ny Reny rahampitso izao: ” «Vehivavy mahery fo, mijoro sy mahefa» no teny filamatry ny sampana vehivavy TIM-Frantsa. Miarahaba ny reny sy ny rahavavy Malagasy rehetra izahay amin’izao fetin’ny reny izao. Fanirianay ny mba ho lalim-paka ao am-pontsika vehivavy rehetra io teny filamatra io eo ampanatanterahana ny andraikitra raisintsika eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ary eo amin’ny toeram-piasana misy antsika amin’ny sehatra rehetra”.