Komity KTMAM – Tsy manaiky ny amboletra ataon’ny fitondrana any Mahajanga

Nangonin’Isambilo

Mijoro amin’izao fotoana ny komity KTMAM na Komity Tsy Manaiky ny Amboletra atao any Mahajanga, komity tsy manaiky ny amboletra ataon’ny fitondra Rajoelina ao amin’ity tanànan’ny renivohitry ny faritra Boeny ity. Ny firafitry ny birao vonjy maikan’ity komity ity, voafidin’ny mpanorina nivory:

Filoha: Aimé Toly Youssouf dit Achim kely;

Filoha lefitra: Kassimo Madi dit Lepiera;

Coordonateur: Tilahimena Sammuel dit Boenjy;

Secrétaire: Safidy Bienvenu;

Trésorier: Chérubin Manantena Jonasy;

Conseillers: Abdou Ben Youssouf, Mamood Mahafidou, Amerdine M’Ze;

Conseiller d’honneur: Professeur Rabessa Zafera Antoine.

Araka ny nambaran’izy ireo: « ny antony voalohany nananganana vonjy maika ny komity dia tao aorian’ny nahenoana ny fandraisan’ny fitondrana foibe fanapahan-kevitra, tamin’ny alalan’ny filan-kevitry ny minisitra ny alarobia 18 may 2022, fa noho ny fitohizan’ny asa fanorenana ny Gymnase eto an-tampon-tananan’i Mahajanga dia hofoanana amin’ny ampahany ny arabe mampisaraka ny Gymnase sy ny Lycée Philibert Tsiranana. Ity komity mitsangana ity dia manohitra tanteraka ny fikasihana izany arabe izany: ny araben’ny lycée. Tsy misy antony mazava hanaovana an’izany ary manembatsembana ny fiainan’ny mponina eto Mahajanga. Io lalana io dia mankany amin’ny OSIEM, izay hopitaly voalohany eto an-tampon-tanàna, ka ivezivezen’ny ambulance. Eo no hany fialana amin’ny fitohanan’ny fiara rehefa ora firavan’ny mpianatra, satria lava be ny embouteillage. Eo no hany « dégagement » rehefa misy lalao baolina kitra ao amin’ny kianja Rabemananjara, na koa rehefa misy filaharana hoan’ny fetim-pirenena isaky ny 26 jiona. Tsy misy procédure ara-dalàna nangalana ny fanapahan-kevitra, fa natao amboletra. Tokony nisy ny fakan-kevitry ny mponina, tokony nisy ny fankatoavan’ny filan-kevitra monisipaly. Tsy nisy izany rehetra izany ary nisy mihitsy ny fandavan’ny filan-kevitra monisipaly hikasihana ny lalana, nefa dia tiana hatao tery vay manta, ka io izy nanaovana baiko midina avy amin’ny filan-kevitry ny minisitra io. Tsy voahaja ny fepetra isan’ambaratonga voalazan’ny lalàna mikasika azy io. Ankoatran’io lalana io dia hitsangana maharitra ny komity, mba hanohitra ny karazana amboletra rehetra atao eto amin’ny tanànan’i Mahajanga, ka izany no nametahana ny anarana mazava tsara: Komity Tsy Manaiky ny Amboletra Atao Amin’ny Tananan’i Mahajanga (KTMAM),” hoy ny fanambarana.

Anisan’ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo koa ny fiantsoana ny mpikambana rehetra liana amin’ny fiarovana ny araben’ny lycée, ka hanatevin-daharana ny fikambanana. Azo antsoina ny laharana findain’ny filoha: 0320459864, sy ny filoha lefitra: 0329883887, hoan’izay rehetra maniry mba ho mpikambana.

Mitaky ny mangarahara, ny fanarahan-dalàna, sy ny fampahafantarana ny be sy ny maro ary ny fifampiresahana rehefa misy fotodrafitr’asa hatao ao an-tanànan’i Mahajanga izy ireo.

Mitaky koa ny fanatsaràna ny tanàna, mba ho tombontsoan’ny be sy ny maro, fa tsy ho tombontsoan’olom-bitsy fotsiny, ary ny fanomezan-danja ny mahasoa aloha izay vao ny mahafinaritra.

MIlaza ny ao amin’ny komity fa tokony ho vitaina ny fanamboarana ny Gymnase ary ho ampiasaina amin’ny asa rehetra ao ny zanak’i Mahajanga. Tsy resaka foko na finoana ny maha zanak’i Mahajanga, fa ny zanak’i Madagasikara fantatry ny be sy ny maro fa monina, mivelona ary tia an’i Mahajanga dia zanany.

Tokony hamboarina tanteraka koa hoy ny fanambarana ny kianja Rabemananjara, mba hiverina indray, ho kianja afaka mandray lalao iraisam-pirenena sy manara-penitra.