Ivato-Antananarivo – Ho avy tsy ho ela ny kaoperativam-pitaterana vaovao

Stefa

Noho ny fampijaliana ny mpanjifa ataon’ny kaoperativam-pitaterana D sasany, mampitohy an’Ivato sy Antananarivo, hanokatra kaoperatimvam-pitaterana vaovao ny kaominina Ivato ao amin’ny distrikan’Antananarivo, hihazo ny renivohitra ato ho ato.

Araka ny fanambarana nataon’ny ao amin’ity kaominina ity: “henon’ny Ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa avokoa, ny fitarainan’ny mponina amin’ny toetra mamohehitra ataon’ireo mpamily sy mpanampy azy amin’ny fanivaivana mpandeha, fihodinana an-dalana, faniratsirana ny mpandeha… ampy izay. Noho izany: hiasa tsy ho ela ny taxi-be vaovao hiainga eo amin’ny INPF Ivato, mandalo an’Ankadindravola, Ambohijanahary, Ambohibao, hatraty an-drenivohitra. Hanampy betsaka ny mponina miakatra an’Iarivo ny fisian’izany zotra izany.

Efa eo am-pamaranana ny dinika ny tompon’andraikitra ankehitriny. Ho am-perinasa tsy ho ela ny zotra vaovao,” hoy ity fanambarana avy amin’ny fiadidiana ny tanànan’Ivato ity. Mangataka ny hisian’ny zotra vaovao toy izany koa ny faritra avy any Ambohibao, Talatamaty, Mandrosoa mankany Ivato, fa tena mijaly koa izy ireo anaovan’ireo mpitatitra azy.