Seces Antananarivo – Tsy mijanona ny fitokonana raha tsy mivaly ny fitakiana

Franck Razakambelo

Nanamafy ny fitokonana ny Seces sampana Antananarivo, mandram-pisian’ny valiny avy amin’ny fitondram-panjakana, izany hoe ny faneken’ireto farany an’ilay tolo-dalàna manome vahana ny fizakantenan’ireo Oniversitem-panjakana sy ny toerampam-pianarana ambony ary ny foibem-pikarohana nasionaly.

Nilaza Andriamatoa Ravelonirina Sammy Gregoire, filohan’ny Seces Antananarivo, fa mitaky ny fanajana ny zo sy ny hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy ny Mpikaroka mpampianatra amin’ny alalan’ny fanaovana sonia an’ilay “Communication verbale conjointe” avy amin’ny Minisitry ny vola sy ny toekarena ny Seces. Ankoatra izany, takian’ny Seces Antananarivo ny fisitrahan’ireto farany an’ilay “Poste Budgétaire” ho an’ny mpampianatra mpikaroka miisa 571, izay efa notapahan’ny fitondram-panjakana ary tokony ho ireo mpampianatra nahafeno fepetra ara-dalàna sy nanatanteraka ny asa fampianarana nandritra ny taona maro, no tokony hisitraka an’izany toerana izany. Nanohy fanazavana ny filohan’ny Seces Antananarivo, fa tokony hanana anjara amin’ny fitsinjarana ny “Poste Budgétaire” ihany koa ireo Mpandraharaha eny anivon’ny Anjerimanontolo sy ny Ministera mpiahy.

Tsiahivina fa tsy nahafa-po ny Seces Antanarivo ny fihaonana tamin’ny Ministera mpiahy sy ny filohan’ny Hcc ary ny filohan’ny Hcdded, mikasika ny famahana ny olan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra, hany ka nanamafy ny hetsika fitokonana ireto farany. Marihina fa hiverina hivory ny Seces Antananarivo ny alatsinainy ho avy izao hanao jery todika ny fivoaran’ny fitakiana ataon’izy ireo ary handray fepetra amin’ny fanohizana na fampiatoana ny fitakiana ataony, miankina amin’ny valin-tenin’ny fitondram-panjakana.