TIM Frantsa – Miasa hampandresy ny filoha Ravalomanana amin’ny fifidianana

Isambilo

Nanatanteraka famelabelarana arahina ady hevitra tany Paris Frantsa, nantsoina hoe: Tim Talk, ny sabotsy teo ny antoko Tiako i Madagasikara any Frantsa, na TIM Frantsa. Nanehoan’izy ireo ny fahitany ny raharaham-pirenena eto amintsika amin’izao fotoana, izay tsy mandeha amin’ny laoniny.

Na any an-tany lavitra any aza izy ireo dia mahita sy mahatsapa ny fahasahiranana iainan’ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy ankehitriny, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina: tsy mijery izay tena mahasoa ny vahoaka, fa variana amin’ny rendrarendra sy rentirenty tsy mitondra soa ho an’ny sarambabem-bahoaka.

Anisan’ny nisongadina tamin’ny fandraisam-pitenenan’ireo mpandray anjara, izay nahitana ny TIM Frantsa, ny Vehivavy TIM Frantsa, ny Tanora TIM Frantsa, fa miasa ireo rantsana samihafa ireo, hampandresy ny filoha Marc Ravalomanana, amin’ny fifidianana filohampirenena ho avy hatao eto Madagasikara. Mbola manentana koa izy ireo, ireo diaspora any amin’ny toeran-kafa, hanatevina azy ireo amin’izany asa masina ho fanavotam-pirenena izany.