Eliana Bezaza sy fanaovana Kianja Mitafo – Mihantsy ady amin’ny vahoakan’i Mahajanga ny fitondrana

Stefa

Manoloana ny fikasan’ny fitondrana hanatanteraka ny fanamboarana ny kianja mitafo vaovao any Mahajanga faritra Boeny, naneho hevitra mahakasika izany ny sekretera nasiônalin’ny antoko PSD (Parti Social Democrate), Eliana Bezaza. Tsy ny fanaovana io kianja mitafo hahazaka olona 4000 io no olana, hoy i Eliana Bezaza, fa ny fomba hanatanterahana izany. Tokony tsy narodana ny kianja mitafo teo teo aloha hoy izy, fa tokony nanangana kianja mitafo vaovao tany amin’ny toeran-kafa ny fitondrana. Hafa ny manana 2 noho ny 1, hoy ity mpanao politika ity.

Notsiahiviny fa 3 volana no nolazain’ny filoha Andry Rajoelina fa hananganana io kianja mitafo io, nefa hatramin’izao efa 3 taona aty aoriana mbola tsy vita izany. Tsy ekena hoy izy ny hanapenana lalana, mba hanaovana ity foto-drafitrasa ara-panatanjahantena ity, lalana izay be mpampiasa ao an-drenivohitry ny faritra Boeny. Toy izany koa ny nakana ny ampahany amin’ny kianja Rabemananjara, ka nanjary tsy maha-kianja iraisam-pirenena intsony izany kianja izany. Ny kianjana tennis namboarina manakaiky izany faritra izany koa dia nolazainy fa tsy manara-penitra.

Tsy tombontsoan’i Mahajanga ny fanaovana io foto-drafitrasa io, hoy ihany i Eliana Bezaza, fa resaka fahazoana tsenambaro-panjakana sy bizina fotsiny. Nosoritany ihany koa, fa tokony ho nisy ny fifampidinihana tamin’ny tompon’andraikitra ara-panatanjahantena, ny ray aman-dreny, ny tompon’andraikitra samihafa tany an-toerana, mialoha ny nandraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny hanaovana izany foto-drafitrasa izany, sy ny fanapenana lalana amin’io toerana io. Ny nisy hoy izy, amboletra fotsiny no nataon’ny fitondrana Rajoelina. Tery ny toerana hanaovana io kianja mitafo io, tsy nahay nandrefy ireo tompon’andraikitra mikasa hanao izany, soso-kevitra hoy izy ny hamerenana ny fanaovana ny kianja mitafo efa teo, ary ny hanaovana ny kianja mitafo vaovao any amin’ny toeran-kafa malalaka, toy ny any Boanamary ohatra.