Betroka faritra Anôsy – Am-polony ireo omby maty tamin’ny fomba mampiahiahy

Stefa

Am-polony ireo omby maty tamin’ny fomba mampiahiahy tany amin’ny distrikan’i Betroka faritra Anôsy. Nitrangana fahafatesan’omby 13 indray mandeha tao Aborano, kaominina Beapombo II, disitrikan’i Betroka ny faran’ny herinandro lasa teo iny.

Raha ny zava-nisy tamin’ny fotoana io raha tsiahivina dia nividy mangahazo tany amin’ny kaominina Isoanala ilay tompon’omby. Mangahazo izay kasaina hamainina ka novoasana araka izany. Rehefa avy teo dia nomena omby ny hoditr’ireo mangahazo, ka nampiampatra azy ireo.

Marihina moa fa tsy vao izao no nampihinana hoditra mangahazo omby ilay olona tompon’omby ireto, fa efa fanaonany hatramin’izay rehefa mamaofy mangahazo, fa tamin’ity indray mitoraka ity dia nampalahelo fa nisy ireo omby maty ireo. Mangataka ny fanaovana fanadihadiana amin’izao trnga izao noho izany ny tompon’ireo omby.