Tanora TIM Ambohimanarina – Manofana maimaimpoana ireo hiditra hiasa amin’ny Call Center

Isambilo

Maro amin’izao fotoana ireo asa sosialy karakarain ‘ny Tanora TIM Ambohimanarina, ao amin’ny Boriboritany faha-6 eto Antananarivo Renivohitra, izay tarihan’ny filohany Lalaina RABEZANAHARY: eo ny fanofanana arak’asa maimaimpoana momba ny “Call CENTER”, vita ny fiofanana dia ampidirina miasa eny anivon’ireny orinasa ireny ireo tanora vita sivana, maro ireo orinasa miara-miasa, ka izay no ahafahana mampiditra ireo tanora miasa avy hatrany. Ireo tanora eny Ambohimanarina ihany aloha no hisitraka an’izay ary tsy mifidy na avy aiza na avy aiza, fa hisitraka izany avokoa.

Mitohy koa ny fampianarana maimaimpoana ho an’ny fampianarana Informatique sy Langue Anglaise, na fiteny anglisy, izay efa herintaona, no nanaovana azy. Amin’ny farany volana Jona dia hanomboka indray koa ny Cours Faradoboka ho an’ny mpanala fanadinana BACC, izay fanaony efa nandritra ny 4 taona.

Mila tanora tompon’andraikitra, vonona hanova rasa eo amin’ny sehatra ara-politika; tsy voatery hoe: manana andraikitra na toerana ambony vao afaka hanasoa ny mpiara-belona”, hoy ihany Lalaina Rabezanahary. 50 eo ireo andiany voalohany amin’io fampiofanana Call Center, hataon’ny Tanora TIM Ambohimanarina io.