Anjerimanontolo – Mitohy ny Oniversite sy ny foibem-pikarohana « maty »

Stefa

Mbola tsy mivaly hatramin’izao ny fangatahan’ireo mpampianatra mpikaroka, sy mpikaroka mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mivondrona ao amin’ny Seces, na ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Madagasikara. Noho izay antony izay, mbola mitohy ny fanakatonana ny eny amin’ny ambaratonga ambony ataon’izy ireo, antsoina hoe: “Oniversite sy foibem-pikarohana maty”, na “Universites et CNRs morts”.

Nitohy omaly alatsinainy sy anio talata izany tsy fisokafan’ny Oniversite izany, satria mbola tsy mivaly ny fanomezana fizakantenan’ny Oniversite, ny fandoavana ireo tambin-karama sy karama ho an’ny mpampianatra sy ny mpandraharaha eny amin’ny ambaratonga ambony,… Momba ity raharaha ity, ny mpianatra no tena mizaka ny tsy eran’ny ainy, amin’izao olana eny amin’ny ambaratonga ambony izao.