Fiarovana ny tontolo iainana – 10 taona ny 22 mey teo ny tambazotra Tafo Mihaavo

Aly

10 taona ny 22 mey ny fikambanana miaro ny tontolo iainana Tafo Mi-haavo eto amintsika. Ny Tafo Mihaavo dia Tambazotran’ny Fokonolona Mitantana Harena Voajanahary eto Madagasikara.

Noho ny resaka fiarovana tontolo iainana izay, misy ny namoy ny ainy, misy ny mbola migadra ny mpikambana ao amin’ity fikambanana ity, noho ny fitiavany ny fiarovana sy ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana eto amintsika. Tany am-piandohana, 482 ny fikambanana izay misy olombelona 925 000 no nanorina ity tambazotra ity, niainga tamin’ny Faritra 17 tamin’izay, amin’ izao fotoana izao, fikambanam-pokonolona miisa 685 ary misy olombelona 3 250 000 manerana ny Faritra 23, izay mahatsapa mahazo tombontsoa mivantana avy amin’ny Tafo Mihaavo no mpikam-bana ao amenity tambazotra ity, fa mbola an-tapitrisany no tsy mpikambana nefa mahazo tombontsoa ihany koa.

Tao anatin’izay 10 taona izay, tsy vitsy ireo tsindry nahazo ary mbola mitohy, ary maro ihany koa ireo fahombiazana azon’ity vondrom-pikambanana ity, ohatra amin’izany ny nahazoan’ny mpikambana miisa 5 avy amin’ny Tafo Mihaavo ny loka lehibe eran-tany mikasika ny fahaiza-mitantana ny harena Voajanahary ho Lovainjafy, eny ifotony ka misy fiantraikany tsara sy goavana eo amin’ny Fokonolona mpitantana sy ireo mpisehatra rehetra anaty faritra ifampivelomana.

Manana ny vina sy tanjona ary ny paikady hanatanterahana izany ny tambazotra ary miara-miasa amin’ny mpisehatra rehetra: Fanjakana, Firaisamonim-pirenena, mpanao gazety, sehatra tsy miankina ary ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika.