EFA FENO IREO FEPETRA

Efa feno ireo fepetra entina mba hilazana
Fa tsy misy fahombiazana ny ao anaty fitondrana.
Telo taona izay no lasa, jiro hatreto tapa-dava.
Tsisy ny fihatsarana fa nidify ny mazava.

Rano koa torak’izany, raha ny antoandro tsy afa-maka,
Fa dia tena sasak’alina, izay vao afaka mantsaka.
Amin’izany indrindra anefa ny halatra no toa mibahana,
Fa mahantra ny vahoaka ka mihabe ny fanendahana!

Efa feno ireo fepetra entina mba hitsarana
Sy hanomezana “aotra roa” ny ao anaty fitondrana.
Raha ny “lainga” kosa anefa dia mampiaiky ny tontolo,
F’amin’izay taranja izay dia azony ny “roapolo”.

Ho azy dia ny serasera no amboamboarina ho raitra.
Ny olony ao anefa, indrisy, efa tsy mba mahataitra.
Loza raha hivadibadika, ampangain’ny lela mainy.
(Efa olona lian’ady ka ny mihavana tsy hainy!)

Efa feno ireo fepetra entina hanaporofoana
Fa tsy adala ny vahoaka na koa be fanadinoana.
Tena samy nahatsiaro irony fitaka sy vandy,
Izay natao angoatenda tamin’ny propagandy!

Ka ny fomba tsara indrindra dia izay hoentina hanesorana
Sy hanalana hatramin’ny fakany ireo ekipam-pozaorana.
Tsy amin-kery anefa izany, (miomàna dieny anio),
Fa amin’ny tena fifidianana, marina ary koa madio!

TSIMIMALO (22-05-22)