Fameloma-maso ny antoko TIM – Tsy azo leferina intsony ny mahazo ny vahoaka hoy Ravalo

Isambilo

Anjaran’ny Boriboritany voalohany, eto Antananarivo Renivohitra, izay sady misy ny toeram-ponenan’ny filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Marc Ravalomanana indray, no nanatanteraka ny famelomamaso, na redynamisation ny antoko tamin’ny sabotsy 21 mey lasa teo, niarahana tamin’ny birao politika. “Tsy azo leferina intsony ny zavatra mahazo ny vahoaka Malagasy, izay latsaka anatin’ny hantsana mangitsokitsoky ny fahoriana ankehitriny. Mitaraina sy mitalaho mafy. Tsy rariny intsony izao fiainana misy eto Madagasikara izao”, hoy ny filoha Marc Ravalomanana, nandritra izany, izay notanterahana tetsy amin’ny Live Hotel Andavamamba.

Notanisainy ireo loza izay anisan’ny mampikaikaika ny vahoaka: tsy amboarina ny lalana, tsy ariana ny fako, miaina amin’ny rano maloto, miaina amin’ny jiro maty lava, ny hetraketraky ny sasany. Nambarany koa, fa nodradradradraina ho ren’ireo vahiny toy ny Vondrona Eorôpeanina sy ny Amerikanina, ny fanitsakitsahan’izao fitondrana Rajoelina izao ny Lalampanorenena, ka nahitàna ny fametrapetrahana fotsiny izany “gouverneur” izany. Mody nolazaina fa “provisoire” kanefa avy eo tsy “provisoire”. Tsy najain’ny fitondrana toy ny anak’andriamaso ny fianianana nataony. Nampahatsiahiviny, fa nanaiky ny fanapahankevitra nataon’ny HCC izy tamin’ny taona 2019 mba hanajana ny filaminana teto amin’ny firenena tamin’izany fotoana izany, saingy misy fetrany ny fandeferana ary efa tapitra ilay fetra. “Afaka adidy amin’ny fatana isika”, hoy izy.

Nanome toky izy, fa tsy hamela ny vahoaka ho fadiranovana intsony ary miantso azy ireo ho sahy, hijoro ary hiray hina. Ary dieny izao dia efa ampandrenesina izay olona miomankomanana hangalatra sy hametsifetsy ary hamitapitaka eo, fa ho takiana ny marina sy ny mangarahara. Nanotrona izao famelomamaso ny antoko TIM tetsy Andavamamba izao, ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany voalohany Me Hanitra Razafimanantsoa, ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, ny birao politika nasiônalin’ny antoko, nahitana ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, sy ny mpandrindra nasiônalin’ny antoko TIM, Jean Claude Rakotonirina.