Làlana sy lalàna ; fitokanana sy fitokonana

Beharo

Manakoako manerana ny Nosy, eny fa na tany ivelany tany aza tato ho ato, araka ny hitan’ny fikambanambe Eôrôpena ireny hoe: làlana sy lalàna, fitokanana sy fitokonana, izay maneho ny tsy fahaiza-mitantana ataon-dRajoelina sy ny ekipany, hoy ireo olona maro sendra ny gazety, satria ny fitokanana foana no mahamaika sy deraderain’izy ireo, fa ilay fahasahirana mahazo ny mahantra ety ambany tsy hitan’izy ireo, izy ireo ao ambony tsara toerana nefa tsy ampy fahazara-miaina, tsy mahatsapa fiainan-tsarotra, tsy ampy fandalinana ity firenena mahantra ity.

Làlana nanaovana fanamby toy ny RN 13, no atao antsoantso amin’ny kabary izay tanterahina, nefa ny làlana eto an-drenivohitra mikorontana tsy mifanaraka amin’ny mety sy sahaza, fa dia ataotao fotsiny eny hatrany, ka mahatonga ireo mpamily hilaza hoe: eny ambony birao ry zalahy no mandrafitra izay tiany, fa tsy mitondra fiara mifamezivezy toy ny rehetra dia milaza fa ara-dalàna.

Ny lalàna indray dia petatoko avokoa hoy ireo be antitra efa mpisotro ronono sendra anay, satria vao vita ny tsy rariny taona 2009, dia fifidianana tsy ara-drariny no natao taona 2010, ka na karinem-pokontany aza dia nety tamin’izany fotoana, nandaniana ilay lalàmpanorenana tsy rariny, ahitana lalàm-pifidiana tsy marim-pototra, governora sadasada, CENI manala baraka amin’ny hala-bato sy ny sisa… Entina handrafetana fotsiny ihany ny isa 13, toy ny laharana tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena, ny velirano 13, ny làlam-pirenena 13, ary indrindra koa izay 13 taona tsy rariny izay.

Maika ilay Filoha Boaikely amin’ny fitokanana nefa ireo fitokonana etsy sy eroa tsy tazany akory, na tsy raharahiany. Tsy mpianatra teny amin’ny Anjerimanontolo izy, ka tsy mahatsapa ny zava-manjo ireo mpianatra, hoy ireo mpampianatra, mpiasan’ny Oniversite, mpianatra, sy ireo mpitsabo mpanampy ary koa ireo mpiasam-panjakana maro efa tsy hay afenina amin’ ny rehetra, nefa dia hodian-tsy hita avokoa.

Ireny fitokanana ireny ve maha-sarona izao laharana maha-menatra eran-tany misy antsika izao? Faha-5 any amin’ny gisitra, nefa dia anaovana fandaniam-bolabe isaky ny fitokanana izay atao, izay mazava fa fitadiavam-boninahitra ho an’ny filoha sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy fotsiny ihany, nefa tsy mahalala izay laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka tantaniny.

Aiza ilay hoe manara-penitra raha io lohateny io fotsiny no fintinina, lalàna sy làlana efa ambony ambany, fitokonana sy fitokanana efa mankadilo sofina, tsy tambo isaina intsony. Tsy voavahan-dRajoelina sy ny forongony aloha hatreto.