Vaovao farany, Fort-Dauphin – Navotsotr’ireo mpanao fihetsiketsehana ireo mpitandro filaminana

Niaina

Vaovao farany momba ny raharaha Rio-Tinto/QMM sy ireo mpanao fitokonana any Fort-Dauphin faritra Anôsy. Fantatra izao fa navotsotr’ireo mpanao fitokonana ireo mpitandro filamianana notazonin’izy ireo. Toe-draharaha mafana sy mitàna ny sain’ny maro ny fihetsiketsehan’ireo mponina ao Taolagnaro amin’izao fotoana izao. Mpitandro filaminana miisa 05 no naratra tao anatin’ny hetsika fanalana barazy izay nataon’ny miaramila tany an-toerana, manoloana ny fanakan-dàlana nataon’ireo andian’olona, izay miteraka fiatoana amin’ny asan’ny Rio-Tinto/QMM.

“Voatery najanona ny fanalana ny barazy, ary tsy maintsy nilefitra ny mpitandro filaminana, mba hiarovana ny ain’ireo namany izay mbola tazonin’ireo mpanao fihetsiketsehana”, araka ny vaovao nampitain’ny mpitondra any an-toerana. Nandritra ny hetsika nataon’ireo mpisakan-dàlana ireo, izay miisa 300 eo ho eo, izay nanorom-ponenana teo amin’ny làlana mihazo ny QMM mihitsy efa andro maromaro izao, dia nametraka mpitandro filaminana niaraka tamin’izy ireo mba hamefy ny hetsika ataon’izy ireo ny mpitondra any an-toerana. Rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hanalana ny barazy, dia noratrain’ireo mpanao fihetsiketsehana ireo mpitandro filaminana ireo.

Taorian’ny fifampiresahana dia efa nomen’ireo andian’olona mpanao fihetsiketsehana ireo, ny mpitandro filaminana naratra miisa dimy, ary mbola misy amin’ireto farany no notazonin’ireo andian’olona miaraka amin’izy ireo, hoy ny loharanom-baovao. Nanamafy ity mpitondra any an-toerana ity fa “tsy azo lazaina hoe ataon’izy ireo takalon’aina ireo mpitandro filaminana ireo satria dia miaraka misakafo aminy sy miriaria soa aman-tsara miaraka amin’izy ireo, saingy tsy avelany hivoaka kosa”. Raha ny vaovao farany dia efa votsotra avokoa ireo mpitandro filaminana ireo, taorian’ny fifampiresahana tamin’ny solontenan’ny governemanta, izay misy minisitra maromaro tonga any an-toerana. Mbola mandeha sy mitohy ny fifampiresahana amin’izao fotoana izao, entina mamaha ny olana sy mamaly ny hetahetan’ireo mpanao fihetsiketsehana ireo.

Raha tsiahivina ny zava-nitranga dia namoaka didy ny governoran’ny faritra Anôsy ny 12 aprily 2022 lasa teo, ny hampiatoana ny asa fanjonoana any an-toerana, vokatry ny fahitana trondro maty, nitsingevana ambony rano tamin’ny manodidina ny toeram-pitrandrahan’ny orinasa. Nisy ny fitiliana natao tamin’ny rano ahafantarana ny tena anton’ny fahafatesan’ireo trondro ireo. Tsy mbola nivaly amin’ny fomba ofisialy anefa io fitiliana io hatreto ary mbola miato ny asa fanjonoana. Tezitra noho izany ireo mpanjono sasantsasany, ka nitarika izao hetsika izao noho ny tsy fahafantaran’izy ireo ny marina, ary mitaky vola 30000 ariary isan’olona, isan’andro mandritra ny fotoana tsy voafetra amin’ny orinasa Rio-Tinto/QMM, onitra amin’ny tsy fahafahan’izy ireo miasa ireo mpanao fihetsiketsehana. Etsy ankilany ny orinasa ny orinasa mpitrandraka fasimainty dia mangataka sy miandry ny vokatr’ilay fitiliana. Hatreto izy ireo dia resy lahatra fa tsy avy amin’ny rano mivoaka avy ao aminy no mahafaty ireo trondro ireo, satria “manaraka ny fenitra amin’ny fanajana ny tontolo iainana” ary “nahazo fahazoan-dàlana avy amin’ny tomponandraiki-panjakana amin’izany” ny orinasa. Tantara mitohy.