Seces – Mihevitra hamono ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana ny fitondrana

Stefa

Nanamafy hatrany ny fitokonany tamin’ity herinandro ity ireo mpampianatra mpikaroka, sy mpikaroka mpampianatra mivondrona ao amin’ny Seces, namafisin’izy ireo fa ny antony anaovany ny hetsika dia tadiavin’ny fitondrana ho vonoina ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana eto Madagasikara. Tsy Laharaham-Pahamehana ho an’ny fitondram-panjakana ny fampianarana hoy ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izay mivondrona eo anivon’ny SECES. Nanomboka ny alakamisy teo, ka hatramin’ny alatsinainy no anaovan’izy ireo fitokonana fanairana farany aloha. Araka ny fanambarana: “mitsahatra manomboka hatreo ny fampianarana mandritra ny 72 ora, mitsahatra ihany koa ny fikarohana, ny dikan’izany dia tsy misy ny fampianarana, miato ny fanadinana ary tsy tokony ho tanterahina ny fanohanana seho karoka na “soutenance de mémoires”, soutenance de thèses amin’ny Oniversite an’Antananarivo. Koa ny mpampianatra raikitra rehetra, ny mpampianatra an-tselika rehetra dia samy mampitsahatra ny fampianarany avokoa.

Ny Mpianatra no mizaka ny tsy eran’ny ainy vokatry ny fiezahan’ny sasany, andrim-panjakana iray na ambonin’izay miezaka na mihevitra ny hamono ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana, izany no antony nahatonga ilay “université et centre Nationaux de recherche mort” hanehoanay tsy fifaliana ny momban’izany, mba hisian’ilay lalàna momban’ny fizakantena, satria mety misy olona hafa any ambadimbadika any mahazo tombony ny amin’ny fanapotehana ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana, izay iadivanay mafy, satria natao ho an’ny zana-bahoaka ny Oniversite miankina amin’ny fanjakana, hoy ihany ny Seces.

Nambaran’izy ireo kosa anefa, fa na alina na andro, na maraina na atoandro dia vonona foana ny SECES ny amin’izay fifanatonana, sy ny amin’ny fifanazavana maro samy hafa ahafahana mamoaka lalàna mifanaraka amin’ny tokony ho izy, sy ialana amin’ny mety ahiahin’ny be sy ny maro.