Filoha Ravalomanana – Namaly ny antso vonjin’Anjozorobe

Isambilo

Ao anatin’ny fameloma-maso ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao aorian’ny tany Amparafaravola sy Ambatondrazaka faritra Alaotra Mangoro; tany Soavinandriana faritra Itasy izay naningana fa nosakanan’ny fitondrana, tany Ibity faritra Vakinankaratra; tany Anjozorobe faritra Analamanga indray ny filoha nasiônalin’ity antoko ity, sady filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana afak’omaly.

Toy ireo tamin’ny faritra efa notsidihany tato ho ato izay, vory marobe hatrany ny vahoaka na tsy nisy artista, na tsy nisy fiomanana sy fampandrenesana mialoha. Nambaran’ny filoha Ravalomanana tamin’izany: “tonga namaly ny antsonareo taty Anjozorobe aho androany. Efa tena mitaraina mihitsy ny olom-pirenena fa: tsy mahita hanin-ko hanina, mitomany amin’ny tsy fandriampahalemana ny tantsaha noho ny halatra sy ny famonoan’olona ary ny kidnaping, sarotra ny fivezivezena sy ny famoahana ny vokatra, fa tsy misy ny fikojakojana ny lalana, tsy mianatra ny mpianatra… Aza kivy, ary aza matahotra fa misy fotoanany ny zava-drehetra. Manàna fanantenana hatrany. Aza adino ny mivavaka mba handresy ny Fahamarinana.”

Namelona fanantenana lehibe ho an’ny distrikan’Anjozorobe ny fahitany ny, Filoha Ravalomanana, Anjozorobe izay anisan’ny faritra mena midorehitra eto amin’ny Nosy noho ny tsy fandriampahalemana ankehitriny, nefa faritra anisan’ny nilamina izany, fony fitondran’ity raiamandreny ity. Saika isan’andro no ahenoana fa tsy milamina ny fandriampahalemana, mitaintaina amin’ny resaka fakana an-keriny ny vahoaka. Ny fahapotehan’ny lalana amoahana ny vokatra tena tsy misy fikarakarana intsony, nefa saika miara-dia amin’ny fitondrana avokoa na ny olom-boatendry na olom-boafidy any an-toerana. Antsoantso nataon’ny vahoakan’Anjozorobe ny hoe:”raiso ny fitondrana prezidà fa maty izahay, ianao Andriamatoa filoha no manana vahaolana entina manavotra anay, vonjeo Anjozorobe prezidà Ravalomanana, vonona izahay hanohana anao.”

Arak’izany, mbola miantso ny filoha Marc Ravalomanana hirotsaka hofidiana ho filohampirenena ny antoko TIM sy ny ankamaroan’ny mponina any Anjozorobe. Tsy ny any no misy izay antso izay ankehitriny, fa ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy mihitsy, satria mijaly sy sahirana ny rehetra, ny mpitondra anefa variana amin’ny zavatra tsy mahasoa ny vahoaka izay tompom-pahefana.