Magro Behoririka ny 27 sy 28 mey – Varotra fampirantiana lehibe, hisy fanomezana ho an’ny Reny

Helisoa

Noho ny fahatongavan’ny fetin’ny Reny ny alahady 29 mey ho avy izao dia hisy hetsika lehibe ao amin’ny Magro Behoririka, hatao hanamaivanana ireo rehetra maniry hividy fanomezana ho an’ny Reny, na i Neny, ny zoma 27 sy sabotsy 28 mey ho avy izao. Entana maro isan-kazany no ho hita ao anatin’izany dia ny akanjo, voninkazo; taozavatra vita Malagasy; vokatra sy fikojakojana ny tarehy sy ny endrika amam-bika ary ireo fanomezana tsara rehetra mety hatolotra ho an’i Neny noho ny fetiny.

Raha ny nambaran’ny mpikarakara, tsy hisy ny vidim-pidirana mandritra ity varotra fampirantiana lehibe ity, koa asaina ny olona rehetra ho avy hitsidika eny an-toerana amin’io fotoana io. Marihina ihany koa fa dia natao mirary dia mirary ny fandraisan’anjara atao ho an’ireo mpampiranty rehetra ary mbola malalaka ny toerana amin’izany. Ny vola ho azo mandritra ity hetsika ity araka ny nambaran’ny mpikarakara dia hoentina hanaovana asa soa, hanampiana ireo ray amandreny zokiolona.

Fanazavana fanampiny amin’ny finday: 0347907600.