Filohan’ny HCDDED – Misy tsy mahatoky ny rafitra mifehy ny fifidianana, ka mety hiteraka korontana

Stefa

Naneho ny heviny momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ny filohan’ny HCDDED, na ny filan-kevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tsara tantana eto Madagasikara, Navony Pierre Lenoble.

Nambarany tamin’izany, fa misy ny tsy mahatoky ny rafitra mifehy ny fifidianana eto amintsika amin’izao fotoana, ka izany dia mety hiteraka korontana, raha tsy vahana dieny izao ny olana. Nambarany ihany koa fa: “tsy tokony namerina ny fahadisoana nataon’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, izay nanakana ny Kandida Andry RAJOELINA tsy hanatrika ny famoriam-bahoaka nokasainy notanterahina tany Mahajanga, ny Filoha Andry RAJOELINA amin’izao fotoana, amin’ny fanakatsakanana ataony amin’ny Filoha Marc RAVALOMANANA toy ny niseho tany Miarinarivo sy Soavinandriana.”

Notsindriany, fa efa misy tsy mahatoky sahady ny rafi-pitantanana ny fifidianana, ka izany no mahatonga ny olona miteny hoe: andao hanao fandinihana mikasika ny fifidianana izay ho avy, mba tsy hisian’ny korontana amin’ny fifidianana . Zava-nisy:”misy mikatona ny biraon’ny atitany tamin’ny fifidianana teo aloha, mikatona 24 ora, avy eo tonga dia misy voka-pifidianana hafa teo ary lany ny anankiray.” Nambarany fa ny zavatra toy izany dia tokony tsy hisy eto amintsika intsony, satria ny fifidianana dia fanehoana avy hatrany ny maha demôkraty ny demôkraty. Satria nifidy ny ho Repoblikanina isika fa tsy nifidy ny ho Fanjakan’Andriana na Royaume, dikan’izay tokony hajaintsika ny fandimbiasam-pahefam-pitondrana ao anatin’ny filaminana. Tsy tokony hisy korontana intsony , tsy zakantsika izany.”

Ankoatran’izany nambaran’ity filohan’ny HCDDED ity koa fa ny olom-boafidy dia tsy tokony ho baikoan’ny olom-boatendry, indrindra fa ny olom-boatendry aty ambanimbany, fa tsy ny Praiministra akory izany, tsy Minisitra no tokony hibaiko olom-boafidy. Ny olom-boatendry tsy afaka mibaiko ny olom-boafidy, satria raha ohatra ka te hibaiko izy dia manao olom-boafidy koa izy izany. Tsy voafehy ny arofenitra eto amintsika,” hoy ihany i Pierre Le Noble.