Faha-12 taona nanakatonana ny Radio Fahazavana – Naneho ny hetraketraky ny fitondrana mpanongam-panjakan-dRajoelina

Nitsingerina omaly zoma 20 mey ny faha-12 taona nisian’ny raharaha FIGN sy ny nanakatonana ny Radio fahazavana. Mpanao gazety maro no nogadrain’ny fitondrana tetezamin-dRajoelina. Teo ny 10 mianadahy mpiasan’ny Radio Fahazavana nanomboka ny 20 Mey 2010 hatramin’ny 09 Septambra 2010. Tsy nohajaina ny lalàna tao anatin’izany, toy ny fihazonana nandritry ny herinandro tao amin’ny BC Anosy, nefa 48 ora ihany no tokony hihazonana olona ao amin’izany toerana izany. Hetraketraky ny fitondrana mpanongam-panjakanan-dRajoelina tamin’ireny fotoana ireny izany, fa teo am-pelatanany ny hery satria notohanan’ireo miaramila izy.

Tamin’ny 12 ora alina ny andron’iny ihany, no natomboka ny fanadihadiana ireo mpanao gazety voasambotra, ary tamin’ny 6 ora maraina vao nifarana. Ny fitondrana tamin’ny alalan’ny Praiministra no niampanga azy ireo, ary zara fa taratasy kely miforiporitra amin’ny soratra penina mena no novakian’ny mpanadihady, izay mila tsy ho voavakiny. Tao amin’ny violon izy ireo no niaina ny Pentekôsta sy ny alatsinain’ny Pentekôsta. Vita ny herinandro vao niakatra “parquet” tao amin’ny Fitsarana Anosy ary avy hatrany dia nampidirina sy notanana teny amin’ny fonjan’Antanimora. Ny fiambenana azy ireo toy ireny gadra “criminel” ireny mihitsy. Ny fanaraha-maso azy ireo teny Antanimora niainany isan’andro, eny na dia nanao fotoam-bavaka mitokana tao amin’ny Chapelle aza sy rehefa niaraka tamin’ireo gadra politika hafa tao amin’ny fonja. Nisy mpanao gazety iray hafa tao amin’ny fonja voasambotra ny andron’ny 20 Mey io, ary niharan’ny herisetra sy fanendahana ny fitaovany fakany sary. Voa mafy tokoa io namana io tamin’ny daroka, vono sy daka, nahazo azy araka ny fitantarany. Indrisy fa izay no nitarika ny fahafatesany araka ny re taty aoriana kely rehefa nivoaka ny fonja izy. Efa namono mpanao gazety koa ny fitondrana tetezamita.

Hetraketraka no nataon’ny fitondrana tetezamita notarihin-dRajoelina tamin’ny mpanao gazety sy ny Radio fahazavana 12 taona lasa izay. Ny fandrobana ireo fananany tao anatin’izany. Tsy tafaverina intsony, ohatra, rehefa nogiazina teny amin’ny BC Anosy, ireo môtô roa an’ny mpanao gazety. Tsy hita intsony ny niafaran’ireo fitaovana ireny. Misy ny mpanararaotra, lazaina ho “mpitandro filaminana”, tsy niahotra ny nibodo, mba tsy ilazana hoe nangalatra, fananan’olona tamin’izany fotoana izany. Endrika iray nasehon’ny tetezamita izany.

N’inona fanazavana, ny tsy azo lavina, voatohintohina ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra momba ny fanonganam-panjakana tamin’izany fotoana izany. Tsy mahazaka demôkrasia ny fitondrana tetezamita sy Rajoelina. Fiainan’olona maro no simbany. Nampikorosy ny toe-tsaina sy ny soatoavina ihany koa ary indrindra ny fiaraha-monina ny vokany. Nanimba ny firenena izany. Mbola miaina izany voka-dratsin’ny fanonganam-panjakanan-dRajoelina sy ny forongony izany isika ankehitriny, mikorosy fahana ny firenena, any amin’ny rambony eto amin’izao tontolo izao no misy ny laharany.