Fanomezana anarana foto-drafitrasam-panjakana – Tsy voaloa ny vola, mitaraina ireo ao amin’ny Komity

Ny Valosoa

Efa hatramin’ny taon-dasa no am-perin’asa ny Komity fanomezana sy fanovana anarana ireo foto-drafitrasam-panjakana sivily eto amintsika, Komity mpanome anaran’olo-malaza Malagasy ireo foto-drafitrasam-panjakana samy hafa eto Madagasikara.

Nidina ifotony izy ireo nanadihady hatrany anivon’ny fokontany ny mahakasika ireny olo-malaza ireny, sy ny faneken’ny olona any ifotony, na tsia, ny hanomezana ny anaran’ireny olo-malaza ireny ny foto-drafitrasam-panjakana amin’ny toerana any ambany ravin-kazo rehetra any. Anarana miisa hatrany amin’ny 600 no vonona tamin’izany, hatolotra hanomezana sy hanovana anarana foto-drafitrasam-panjakana eto amintsika.

Raha ny nivoaka tamin’ny filan-kevitry ny ministra andro maromaro lasa izay, anarana miisa 23 monja no vonona, hanomezana anarana foto-drafitrasam-panjakana sivily eto amintsika. Ny antony, tsy voaloan’ny tompon’andraikitra ny vola natokana nanaovan’ny komity ny fanadihadiana nandritra izay herintaona mahery nijoroany izay.

Mahakasika ireo anarana foto-drafitrasam-panjakana sivily homena anarana olo-malaza teto amintsika ireo anefa, efa vonona ny any amin’ny faritra rehetra ny amin’izay, fa ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina mpiahy indray no malailay fonosana noho io zava-misy, tsy fandoavana ny zon’ireo ao amin’ny Komity io.