20 Mey 2010 – Nanamarika ny fiainan’ny Radio Fahazavana, tsy hay hadinoina

Sôh’son

Mihazakazaka ny volana sy taona, tsy hitahita akory dia mitsingerina ny taona nisiana toe-javatra nanamarika ny fiainana na dia efa heverina ho ela aza. Toy ny vao omaly hatrany ny zava-nitranga sy niainana na dia efa ho 12 taona aza izao. Tsaroana amin’izany ny andron’ny 20 Mey 2010 teny Avaratr’Ambohitsaina, dia ny raharaha FIGN izany. Teo ny hetsiky ny mpitondra fivavahana na ny HMF, sy ny nanakatonana ny Radio Fahazavana sy ny nisamborana ary nanagadrana ireo mpanao gazety tao aminy. Nampiseho ny herisetrany tanteraka ireo mpanongam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina, nitondra ny fitondrana tetezamita tamin’izany. Ny tantara tsy fanadino.

Nanamarika ny fiainan’ireo mpanao gazety tao amin’ny Radio Fahazavana ny andron’io 20 Mey 2010 io. Ny harivan’io andro io izy ireo no efa nokarohina mafy, mba tsy ilazana hoe nohazaina mihitsy. Izy ireo mantsy no nampita ho henon’ny Malagasy ny zava-nitranga marina teny Ambohitsaina tsy lavitry ny fasan’ny mahery fo na Mausolée. Izy ireo ihany koa no tsy nitsahatra ny nampita isan’andro ny hetsiky ny vahoaka mandala ny ara-dalàna nanohitra ny mpanongam-panjakana nandroba fahefana tamin-kery. Izay fotsiny ihany dia efa tsy zakan’ireo nanongam-panjakana ireo ary efa nitady kendry tohina ny amin’izay ahazoana azy. Ny harivan’io andro io no nigadona ny efa nandrasan’ireto hanapotika firenena ireto. Teny amin’ny sampanan-dalan’Ambatonakanga ny toerana nahitan’ireo andiana miaramila sy zandary ary polisy tao anaty fiara mazda ireo mpiasa, mpanao gazety sy teknisiana, efa handeha hody. Rehefa voasambotra ireo, dia nentiny niverina teny Imarivolanitra izay nisy ny toerana nampihodinana ny onjam-peo. Nanaitra ny saina ny firodorodon’ireo fiaran’ny “tomponandraiki-panjakana” isan-tsokajiny notarihin’ny minisitra roa misahana ny serasera sy ny fifandraisan-davitra tamin’izany, izay tonga teo an-toerana. Marobe ihany koa ireo miaramila, indrindra ny zandary sy polisy tonga teo, ankoatra ireo tao anaty mazda nitondra ireo mpanao gazety. Noterena novahana ny vavahady, ary nidirana ny tao amin’ny onjam-peo. Noraofina avokoa ireo fitaovana rehetra fampiasa amin’ny onjam-peo tao, hatramin’ny raki-kira rehetra sy izay pitsompitsony rehetra tsy nisy navela. Hatramin’ny tany amin’ny fitaovana fandrahoan-kanina rehetra. Ny nanaitra ny saina ihany koa, dia nifandroritan’ireo zandary eny Fiadanana sy ny polisin’ny Brigade criminelle Anosy ny hitondra ireo mpiasan’ny Radio Fahazavana. Iretsy farany teny Anosy no nitondra azy ireo.

Ireo fitaovan’ny Onjam-peo Radio Fahazavana na samba sy politika avy eo na nisy marobe no tsy hita. Nisy hita ho nangalarina mihitsy aza, toy ny solosaina. Noraofina ihany koa ireo môtô roa an’ny mpanao gazety ary nogiazana teny amin’ny BC Anosy. Valo andro be izao no nitanana ireo mpanao gazety tao amin’ny violon tao. Rehefa avy niakatra parquet taorian’izay izy 10 mianadahy, dia nampidirina teny amin’ny fonjan’Antanimora ary nogadraina teny tao anatin’ny telovolana, ka ny 09 Septambra 2010 vao nivoaka.

Niharihary tao anatin’izany ny toe-tsaina entin-dRajoelina sy ireo mpiara-dia aminy nitondrana ny olona eto amin’ity firenena ity. Manapotika izay manohitra azy, ary manome tombontsoa ireo miaraka aminy. Tsy ahatafarina ity firenena ity na oviana na oviana izany, ary iaraha-mahita sy miaina izao ny vokany.