Kolontsaina – Tsy mazava ny politika momba ny Mozea eto amintsika

Radafy

Tsy mbola manana ny anjara toerany tanteraka eo amin’ny fiainam-bahoaka ny Mozea raha ny fahitana ny zava-misy ankehitriny. Manana Mozea ny firenena, toy ny eny amin’ireo rova samihafa na eto Antananarivo na any amin’ireo faritany sy faritra samihafa manerana ny Nosy. Ny Mozea dia toerana natao hitehirizana ireo zavatra mivaingana mirakitra fahatsiarovana maro samihafa tamin’ny vanim-potoana samihafa. Raha momba ny firenena, dia ireny toerana ireny no hitehirizana ireo zavatra manan-tantara, toy ny tamin’ny andron’ny faha-mpanjaka. Tsy voatery ny mombamomba ny mpanjaka sy ny fiandrianany ihany no tehirizina ao aminy, fa na ihany koa ny zavatra niainan’ny fiarahamonina tamin’izany. Mazava loatra, fa tsy mijanona tamin’ny vanim-potoana ny faha-mpanjaka no tehirizina ao, fa ireo vanim-potoana samihafa nifandimby taoriany rehetra. Ny maha-zava-dehibe azy dia ny mba hahafantaran’ny taranaka aty aoriana rehetra mifandimlby ny zava-nisy sy nitranga teo amin’ny firenena efa lasa taloha ela tany. Arakaraka ny fahamaroan’izany sy ny fahitany azy no mampitsiry afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pony. Ny fitiavan-tanindrazana tsy vitan’ny resaka eny an-kianja fotsiny, na anaty adihevitra amin’ny toerana samihafa sy voizina amin’ny haino vaky jery toy ny ataon’ny fitondrana ankehitriny, fa mila asa mivaingana mifototra amin’ny tena maha malagasy tanteraka madio mangarahara.

Hatraiza anefa ny fikoloana ireo Mozea misy eto amintsika sy indrindra ny fampivoarana azy ireny ? Ny miharihary, tsy misy mazava ny politika momba izany ataon’ny tomponandraikitra sy ny fitondrana. Ny zava-nitranga aza, dia saika namoa-doza nanaotao foana ny fitondrana ankehitriny, raha ny nataony teny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana tamin’ny fanorenana toerana na kianja tsy tokony ho napetraka eny velively. Ny ambara amin’izany dia ilay Colisée, izay nanaovan’ny fitondrana Rajoelina amboletra ny nanorina azy, kanefa nokianin’ny sokajin’olona marobe teto amin’ny firenena izany ary nambaran’ireo ny amin’ny tsy maintsy anesorana io kianja io, satria tsy kolontsaina malagasy io ary tena manosihosy ny soatoavina maha malagasy mihitsy. Tsy maintsy misy akony ratsy eto amin’ny firenena ny nanorenana an’io, hoy ny avy amin’ny fikambanan’ireo andriana. Moa ve dia ho izany tokoa no antony mahatonga ny firenena ho toy izao? Aiza ho aiza ny niafaran’ny raharaha momba an’io ary andrasan’ny olom-pirenena marobe na ny vahoaka ny fanongotana io kianja io hatramin’izao. Mbola misy tsy araka ny vakoka maha Malagasy aza, fa haingo rendrarendra avy any ivelany no nampihaingon’ireo tomponandraikitra ao anaty fitondrana ny Lapan’i Manjakamiadana, izay tena fanaovana tsinontsinona ireo razana tany aloha mihitsy ny fahitana azy. Ilàna fahendrena fatratra ny fametrahana zava-baovao amin’ireny toerana ireny fa tsy ataotao foana akory.

Anisan’ny tsy tokony ho adinoina ny fiarovana ny Mozea. Nisy fotoana niharan’ny sotasota sy hetraketraka izy ireny toy ny resaka fandoroana izay niseho tamin’ny toerana samihafa. Anisan’zany ny teny Manjakamiadana izay tsy hita izay niafaran’ny fanadihadiana momba izany fa toa navelavela ho azy fotsiny amin’izao na dia nisy resaka tsy mazava aza izay tian’ny vahoaka hofantarina marina, noho ny fahenoiny resaka politika maloto tao ambadika. Hoan’ny mpanara-baovao, tsy mandehandeha ho azy ny fitranagan’ireny toe-javatra ireny. Nisy ihany koa ankoatra ny teny Manjakamiadana ny toerana na rova niharan’izany, toy ny teny Ambohidratrimo sy Ilafy, na ny hafa tsy voalaza. Tamin’ny fisian’ireny tranga-javatra ireny no nahatsapana fa nisy an-tandrevaka ny lafiny fiarovana tokony ho ataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny misahana azy ireny. Ankehitriny anefa ve efa azo antoka sy azo itokisana ny fiarovana ny Mozea misy eto amin’ny firenena, na ireo lapa na trano samihafa natao itehirizana ireny vakoka na zavatra manan-tantara sarobidy samihafa amin’ny Malagasy ireny? Dia samy mijery izany ny olom-pirenena tsirairay eo amin’ny manodidina sy ny fiaraha-monina misy azy eo. Mila sarotiny amin’ireny ny olom-pirenena tsirairay, ny Malagasy rehetra sarotiny sy saropiaro amin’ity firenena ity, mba hisy hanodina ny tantaran’ny firenena, satria misy olona tsy mihevitra afa-tsy ny hanao izany, mikendry hatrany ny hanamboamboatra ny tantara nisy marina eto.

Ny Mozea no anisan’ny andry iray lehibe sisa iankinan’ny fiandrianam-pirenena ankehitriny sy ny maha Malagasy ny Malagasy. Fanairana ny sain’ny rehetra izany amin’ny andro iraisam-pirenena natokana ho an’ny Mozea omaly 18 Mey.