Filoha Ravalomanana sy ny tany Ibity Antsirabe II – Vory maro be tanatin’ny fotoana fohy ireo vahoaka, na tsy nisy fiomanana sy fampandrenesana

Isambilo

Rehefa tsy nomen’ny lehiben’ny distrikan’i Soavinandriana faritr’Itasy alalana, hanao fameloma-maso ny antoko TIM tany Soavinandriana omaly ary fotoana tokony ho natrehan’ny filoha Marc Ravalomanana, nivantana tany Antsirabe II faritra Vakinankaratra avy hatrany izy sy ny mpiara-dia aminy omaly alatsinainy io ihany, tany amin’ny kaominina Ibity.

Vory maro be tao anatin’ny fotoana fohy ny vahoaka tany an-toerana, na tsy nisy aza fanomanana, na tsy nisy aza fampandrenesana mialoha azy ireo. Tafahoana ny tia sy ny manina tao Ibity Antsirabe II. Niara-dia tamin’ny filoha Ravalomanana, ireo Solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM, tao Antsirabe II, ny depiote José, sy ny depiote voafidy tao Antsirabe I, Michel Ambalavato ary ireo delegasiônina notarihany.

Nisongadina tamin’ny fihaonana, fa sahirana ny mponina any Ibity, toy ny amin’ny faritra ambanivohitra eto Madagasikara, tsy misy fanampian’ny fanjakana ny amin’ny famokarana ataon’izy ireo. Nilaza ny filoha mpanorina ny antoko TIM, sady filohan’ny Rodoben’ny Mpanohitra RMDM, fa vonona hanavotra ny vahoaka sy ny firenena Malagasy indray, izay latsaka anaty hantsana lalina tokoa ankehitriny.

Ankoatra izany ny alahady teo, tafahoana tamin’ireo mpino tany Soavinandriana ihany Ravalo, niaraka niombom-bavaka izy, tamin’ireo mpino tao amin’ny FJKM Dondona Soavinandriana, tamin’ny isan-kerintaonan’ny FJKM tany an-toerana.