Fanakatonana tanteraka ny lisi-pifidianana – Ambatondrazaka no manana taha ambony indrindra

Niry A.

Na teo aza ny mety ho lesoka izay mitranga isan-taona amin’ny fandrafetana ny lisi-pifidianana dia mbola nahatratra 8288, ireo mpifidy vaovao voasoratra anarana ho an’ny distrikan’Ambatondrazaka, avy amin’ny fokontany miisa 177. Mitotaly 160.156 izany ny mpifidy voasoratra anarana ato amin’ny distrikan’Ambatondrazaka taorian’ny 15 mey teo.

Maro an’isa amin’ireo ny lehilahy, izay mahatratra 83.331 ary ny 40,97% dia tanora avokoa. Antenaina fa aorian’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy dia mbola hiakatra io taha io.