13 mey 1972 – Fantaro ny atao hoe FRS sy ny ZWAM

Ny Valosoa

Feno 50 taona katroka ny zoma teo ny 13 Mey 1972, nifanojo amin’ilay antsoin’ny vazaha hoe “Vendredi 13 ” izy tamin’ity taona 2022 ity.

Raha vao miresaka momba ny fifandonana tao amin’ny Kianjan’ny 13 Mey dia ny Frs na “Force Republicaine de Securité” sy ny Zwam na “Zatovo Western Amicale de Madagascar”, no tonga ao an-tsaina voalohany, satria ireo Zwam no nirotsaka niaro ireo mpianatra sy sahy niatrika ny Frs , marihina ihany koa fa ny miaramila sy ny zandary dia tsy nandray anjara tamin’ny famonoana ny mpianatra tamin’ny 13 Mey 1972.

NY FRS NA ” FORCE REPUBLICAINE DE SECURITE “

Mpitandro filaminana najoron’ny mpitondra tamin’ny Repoblika voalohany ny Frs, ny tena asan’ireo Frs dia ny miaro ny mpitondra tamin’izany, efa nisy ny zandary sy ny miaramila ary ny polisy tamin’ny Repoblika voalohany, kanefa ireo dia mijanona ho mpitandro ny filaminambahoaka , fa ny Frs kosa raha somary atao mahitsihitsy ny filaza azy dia “herimpamoretana” teo ampelatanan’ny fitondrana, koa tsy nahagaga raha nampiasa hery avy hatrany raha vao nahita ireo mpianatra marobe nahasahy nitaky ny famotsorana ireo namany nosamborina ny Zoma 12 Mey 1972, izay nivory teny Ankatso.

Ny niafaran’ireo Frs nisetrasetra tamin’ny mpianatra tamin’ny 13 Mey 1972, dia vaky nandositra satria tsy namelan’ny vahoaka.

Navadika ho Gmp na “Groupe Mobile de la Police” ireo Frs , dia mbola namoantsampona indray ny taona 1975, voarohirohy tamin’ny “Raharaha Ratsimandrava”.

Tamin’ny Repoblika faharoa dia najoro indray ny Resep na “Regiment de la Securité Presidentielle”, dia ireny niaraha-nahita ireny ny nafitsony tamin’ny 10 Aogositra 1991, nanenjika vahoaka hatreny an-tanimbary noho ny fiarovana bontolo ny mpitondra.

Nanomboka tamin’ny fitondrana notarihan’ny Filoha Zafy Albert sy ny Filoha Didier Ratsiraka (Repoblika fahatelo) ary ny Filoha Marc Ravalomanana dia Gp na “Garde Presidentielle” indray no fiantsoana an’ireo mpitandro filaminana mpiaro ny lapa sy ny mpitondra. Tamin’ny 07 Febroary 2009 raha nananidapa teny Ambohitsorohitra ireo olon-dRajoelina dia nisy ny fitifirana saingy voaporofo fa tsy ireo Gp no nitifitra ireo vahoaka, satria basy “kalachnikov” no nampiasain’ny Gp, kanefa nambaran’ireo mpitsabo fa balan’ireo basy marovava jiosy fampiasan’ny Frs no nahafaty ireo olona namoy ny ainy.
Mbola Gp ihany no anarana nampiasaina tamin’ny Filoha Rajaonarimampianina sy amin’izao fitondrana izao.

NY ZWAM NA ” ZATOVO WESTERN AMICALE DE MADAGASCAR “

Ireo tanora sahirana tratran’ny tsindry hazo lena no nivondrona tao amin’ny Zwam, maro ny antony nahatonga azy ireo nijoro niaro ireo mpianatra, ny antony voalohany aloha dia ny mahasamy mpiaramonina eto an-tanàna ary ny faharoa dia ny hatezeran’ireo tanora ireo vokatry ny fisetrasetrana nataon’ireo sasantsasany tamin’ny Frs, izay niampanga tsy amin’antony azy ireo.

Nanana ny lanjany sy ny toerany ny Zwam taorian’ny 13 Mey 1972, nogasiana ny anarana dia natao hoe Zoam na “Zatovo Ory Asa Malagasy”, ary notsotsorina tamin’ny hoe ” Jomaka”. Ny Antoko Mfm no niahy azy ireo. Nanomboka tamin’ny Repoblika faharoa dia nampiasa vola ny Arema nanjonoana azy ireo hiaro ny fitondrana Ratsiraka , niova matetika ny anarany , toy ny hoe Zmt na “Zatovo Mahatsapa Tena” taty aoriana dia lasa hoe Tts na “Tary Tonga Saina”, napetraka teny amin’ny ” Toby Pochard” izay misy ny tsena Pochard ankehitriny ireo Tts, lasa fitaovana politika tanteraka ny Tts, nasaina nandroba teny Analakely rehefa misy ireo manao fihetsiketsehina ireo manohitra ny mpitondra ary ny Toby Pochard dia lasa fanafenana ny halatra, indrisy anefa fa narovan’ny mpitondra tamin’ny Repoblika faharoa izy ireo, sady mbola nahazo vola rehefa mahavita mandrava tolona, ny niafarany dia nifandramatra tamin’ny mpanao “Kung Fu” ireo Tts tamin’ny taona 1985.

Mbola nitohy taty aoriana ny fampiasana ireny tanora sahirana ireny ho fitaovana, tamin’ny taona 2002 dia nisy indray ny “Bemiranga ” izay nalaina avy tamin’ny hoe “Baomanga miray”, izao indray dia misy ny “Gros bras” izay ampiasaina hiaro ireo izay ankahalaim-bahoaka.

50 TAONA ATY AORIANA

Hery roa nifanandrina ny FRS sy ny ZWAM tamin’ny 13 Mey 1972, dimampolo taona aty aoriana dia miova ny toedraharaha, satria ireo mpitandro filaminana toy ny Zandary sy ny Miaramila izay niaro ny mpianatra tamin’ny 13 Mey 1972 dia lasa manao toy ny Frs sy ny Resep izay miaro an-jambany ny fitondrana ary tsy fahita intsony koa, ireo tanora sahirana niaro ny mpianatra nijoro tamin’ny fahamarinana toy ny nataon’ny Zwam tamin’ny 13 Mey 1972, fa dia araraotin’ny mpitondra tsy mahavaha olana ny fahasahiranambahoaka ampiadiana an’ireo vahoaka sahirana amin’ireo sahy mijoro.

Fandinika ny zava-nitranga tamin’ny 13 Mey 1972, ny mahafaly dia efa maro ireo tsy an’asa sy mpitandro filaminana no efa manomboka tonga saina manoloana ny fanambakana vahoaka ataon’ny fitondarana Rajoelina ankehitriny.