Raharaham-pirenena – Ireo porofo fa mavandy i Rainilainga

Ny Valosoa

Mbola misy ny miteny fa tsy mpandainga ilay olona iray izay, noho izany, andeha ho porofointsika fa mpandainga i Rainililainga: nanambara izany olona ambony eto amin’ny firenena izany, ny Filoha io fa:
-efa any anaty sambo ny tramway tamin’ny taona 2009, LAINGA iray iny.
-Ozinina éthanol 2019 nasiana vato fototra, naniry lomotra fotsiny. LAINGA koa iny.
-Tsy mila mpamatsy vola fa mampahantra, ka na 2060 ary tsy handroso mihitsy i Madagasikara, hay mbola LAINGA koa izay nambarany izay.
-Ho lohany i Madagasikara ary hampindram-bola an’i Kaomôro.
-Tsy hanao politika intsony aho raha tsy miatomboka ny voalohan’ny taona 2021 ny RN 13, mbola vandy koa.
-Ataoko 2500 Ar ny litatra ny menaka , 500 Ar ny kg ny vary LAINGA, da vandy avao koa.
-Tsy handray karama aho fa hozaraiko ho an’ny faritra ny karamako. LAINGA ihany, lainga hatrany.
-Eny amin’ny Tanamasoandro no hatao ny fanokafana ny lalao: Jeux des Iles 2023, hatramin’izao tsy misy asa mandeha eny. LAINGA avao koa.
-Gadraiko ary ataoko mamerina hatramin’ny ariary nangalariny izay mangala-bolam panjakana ary tsy hananako havana na namana. LAINGA ary tsy mbola tanteraka.
-Hanao ozinina mpanamboatra simenitra lehibe indrindra aty Afrika. Mbola LAINGA koa.
-Ambatondrazaka ho Paris, Tomasina ho Miami. LAINGA.
-Atombotsika amin’ny taona 2021 ny : fly over, Gasycar. LAINGA.
-Efa ho tapitra ny mandat na ny fotoana iasany, aiza izay parking ambonin’ny EPP eo, na omby iray tsy voapetaka puce, tsy namboly tamin’ny drone, digitalisation fokontany 10 andro, 4×4 hanenjehana dahalo, helikôptera. LAINGA maromaro koa ireo.
-Hamoronana asa be dia be ny tanora , homena tany hamboleny. Vandy jiaby izany.

Vokatr’ireo vandy rehetra ireo, anisan’ny mitana ny rambony i Madagasikara eto ambonin’ny tany, voafahan-dalitra ny Malagasy.