Soavinandriana – Miandry ny filoha Ravalomanana Itasy ny alatsinainy izao

Isambilo

Miandry ny filoha Marc Ravalomanana ny vahoakan’ny faritr’Itasy ny alatsinainy ho avy izao, any Soavinandriana no fotoana. Nikarakara izay hetsika lehibe izay, ao anatin’ny fameloma-maso ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ny birao politikan’ny antoko, notarihan’ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro sy ny mpandrindra nasiônaly Jean Claude Rakotoarisoa ary ny depiote Fidèle Razarapiera tamin’ity herinandro ity.

Nampahafantatra ireo tompon’andraikitra ara-panjakana any amin’ny faritra Mandridrano izany hetsika hatao izany izy ireo omaly, nivory manokana ny OMC tany an-toerana noho ity hetsika hatao ity. Ny fahazoan-dalana dia tokony tsy ho olana satria ny antoko TGV aza tany Antsiranana afaka nidina an-dalambe, koa nahoana raha ny TIM no hamory vahoaka no tsy hahazo?

Ao anatin’ny fepetra tokony hivoahan’ny vola homen’ny mpamatsy vola antsika, ny tokony hisian’ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto amin’ny firenena, ka heverina fa ho raikitra ny fihaonana ny alatsinainy io, anjaran’ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny OMC faritr’Itasy kosa no hitandro ny filaminana amin’izany, izany rahateo no andraikitr’izy ireo, fa tsy handrava ny hetsika hatao tsy akory. Koa alatsinainy mifankahita any Soavinandriana.