Hetsika 13 mey 1972 – Hetsi-bahoaka nitaky fahaleovantena, fanagasiana, fitsinjaram-pahefana…

Nangonin’Isambilo

Ny hetsika 13 mey 1972 dia manambara fa ny hetsi-bahoaka sy ny hetsiky ny mpianatra tamin’izany fotoana, 50 taona lasa izay dia fitakiana ny fahaleovantena, ny fanagasiana, ny fitsinjaram-pahefana,…

Araka ny fanambarana: hetahetam-bahoaka sy tombontsoam-bahoaka no nitolomana tamin’izany, nanerana an’i Madagasikara ny hetsika. Nanomboka tamin’ny mpianatra dia niitatra tamin’ny sehatra rehetra.
Notoherina ny fampianarana izay tsy mifanitsy tamin’ny zavamisy teto Madagasikara. Sekoly niangatra, sekoly sivana, izay niteraka tsy fitoviana teo amin’ny zaza Malagasy.
Notakiana ny fanafoanana ny dinam-panandevozana nataon’ny Frantsay. Vola sy toekarena voageja sy voaroba, tany lonaka nobodoina, fitantanana firenena nofehezina, kolontsaina nopotehina, tafi-bahiny namoritra,…
Fanjanahantany amin’ny endriny vaovao no nataon’ny Frantsay teto tamin’izany.
Hetsibahoaka nitaky ny Fahaleovatena, ny Fanagasiana, ny Famahoahana ary ny Fitsinjaram-pahefàna no nisy tamin’io fotoana io. Fitakiana madio sy fitadiavana tombontsoa ho an’ny besinimaro no natao .
Napetraky ny Zaikabem-pirenena nandraisan’ny lafivalo anjara fa:

Sarobidy ny fiandrianam-pirenena

Miala eto ny tafi-bahiny rehetra. Ary tsy mitsabaka amin’ny fiarovam-pirenena intsony ny vahiny. Miala eto ireo vahiny amin’ny Rafi-panjakana samihafa. Miala amin’ireo tany lonaka nobodoiny manerana an’i Madagasikara ireo vahiny.

Nirosoana ny Fanagasiana

Ny Malagasy no masi-mandidy sy mitantana amin’ny lafim-piainana rehetra. Ny Kolontsaina Malagasy no ifotorana hanaingana ny fampandrosoana. Ny Tombotsoan’ny Malagasy rehetra hatrany ambanivolo ary manerana an’I Madagasikara no nibaiko ny fandaminana sy ny fitantanana ny lafim-piainana rehetra.

Napetraka ny Famahoahana

Ny rehetra na ny vahoaka rehetra no nandray anjara tamin’ny lafim-piainana rehetra, fa tsy ny olombitsy sy faritra vitsy. Mandray anjara mavitrika ny rehetra amin’ny fampandrosoana azy,na eo amin’ny toekarena, na politika, na sosialy,na koltoraly , sns…
Ny Malagasy rehetra isan-tokantrano dia hanana fahefa-mividy sahaza araky ny asa sy fahaizany.
Niely hatrany ambanivolo manerana an’i Madagasikara ny fahaizana sy fahalalana, mba hampitombo ny fahefa-manaon’ny isam-batan’olona.
Tombontsoan’ny maro an’isa no nokendrena hatrany, fa tsy ny an’ny vitsy an’isa. Nolavina ny jadona, ny fanampenam-bava tamin’ny endriny rehetra. Zo fototra ny fahalalahana maneho hevitra.

Hampiharina ny Fitsinjaram-pahefana

Masimandidy ary tompom-pahefana ny olompirenena mivondrona isaky ny ambaratonga miainga eny ifotony(Fokonolona, Kaominina, Faritra,..).
Samy hahazo ny tandrify azy ara-drariny eo amin’ny fitsinjarana ny ho enti-manana sy ny harem-pirenena ny rafitra rehetra.
Mitandro ny fandrosoan’ny ambaratonga rehetra ny Fanjakana Foibe amin’ny fahaiza-mitantana anaty mangarahara.

Ny nasetrin’ny mpitondra

Fanagadrana sy famonoana olona no nasetrin’ny mpitondra tamin’izany . Telopolo mahery no maty ary maro no naratra.
Tolona masina no natao teto. Tsy mbola tratra ny tanjona amin’izao fotoana izao: na dia teo aza ny fahaleovantena politika an’i Madagasikara, ny fitondràna politika nifandimby, nandritr’izay 62 taona izay , dia tsy nahavita niaro ny tombontsoan’ny Vahoaka sy ny Firenena Malagasy.
Tsy mbola tanteraka ny fiandrianam-pirenena . Ny vahiny no mifehy, mibaiko ary mahazo tombontsoa mihoa-pampana amin’ny fandraharahana ara-toekarena, ka migoka ny harem-pirenena malagasy . Raha ny Frantsay no nanjaka tokana teo aloha dia nanomboka nahazo vahana koa ny hery mpananibohitra hafa: vahiny hafa: karana, sinoa,… Mitombo andro aman’alina ny fandrobàna ny harem-pirenena ary fanondranana izany an-tsokosoko.
Ianteheran’ny vahiny amin’izany ireo teratany Malagasy vitsy an’isa mpiankindoha amin’ny any ivelany na nitondra fanjakana na mpiaradia aminy tety ivelany. Eo ihany koa ireo karana sy sinoa tena lasa mpanefoefo sy mpandroba harempirenena. Ny mpitondra amin’izao fotoana tarihan’ny filoha Rajoelina dia isan’ny mpanome sehatra ireo vahiny mpanabotry firenena amin’izao fotoana.
Bokan’ny trosa ny Firenena, satria tsy nahavelontena mihintsy. Ireo famatsiambola avy any ivelany no miantoka ny fampandrosoana.
Mbola bodoin’ny Frantsay ireo Nosy Malagasy manodidina, na efa nisy aza fanapahankevitry ny Firenena Mikambana (ONU) manome antsika izany.

Ao anatin’ny fahantrana tanteraka ny fiarahamonina malagasy ankehitriny. Olombitsy no mahazo ny tombontsoa eto amin’ny Firenena. Tsy mitsahatra mitombo ny elanelana eo amin’ny sokajin’olona manana sy mahantra. Mihanaka ny tsy fandriampahalemana, manjaka ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefàna.
Arak’izany, tsy tratra ny tanjona 50 taona aty aoriana, nanaovana ireo fitakiana samy hafa.