Seces Antananarivo – Manamafy ny fametrahana ny Oniversite maty

Franck Razakambelo

Hanamafy ny fametrahana ny Oniversite maty ny Seces Antananarivo manomboka izao, mba hanairana ny fitondram-panjakana hamoaka ilay lalàna 2021-28 momban’ny fizakantenan’ny Oniversite sy ny toeram-pampianarana ambony ary ny foibem-pikarohana nasionaly.

Nilaza ny Profesora Ravelonirina Sammy Gregoire, filohan’ny Seces Antananarivo, fa tsy nahafa-po ny fifampiresahana niaraka tamin’ny Ministera mpiahy, sy ireo lehiben’ny Andriam-panjakana nandritra ity herin’andro ity, hany ka mety hiroso amin’ny fitokonana faobe ny Seces manomboka amin’ny herinandro ambony aorian’ny fivoriana izay hataon’ireto farany, raha tsy misy fanapahan-kevitra raisin’ny fitondram-panjakana manoloana an’ity raharaha ity.

Nanohy fanazavana ny filohan’ny Seces, fa ilain’ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana Siantifika ny fisian’ny lalàna mifehy ny fizakantena ara-bola, ara-pitantanana, ara-tsiantifika, ara-pedagogika, mba hisorohana ny fiverimberenan’ny fitokonana eny amin’ny Oniversitem-panjakana ary tsy mendrika an’ireto farany intsony ny tsy fahazoana karama sy ny vatsim-pianarana, vokatry ny fanaovana andrakandrana amin’ny fampiharana ny “Digitalisation” izay mbola tsy voafehy akory.