TADIDIO IREO NOTENENINA

Ivereno tadidiana ireo rehetra notenenina,
Dia meteza hanisa tsara, firy no efa mba tanteraka?
Fa ny ankamaroany anie dia aleo ambara sy tsy afenina,
Tena fitaka sy lainga mankaleo sy efa mandreraka!

Ahoana ilay nampanantena ny amin’ny lalam-pirenena
Izay hohavaozina tanteraka sady hasiam-panatsarana?
Moa tontosa ve izany? etsy kely hoe hojerena.
Tsia, kanefa dia mitohy ny politikam-pandaingana!

Ahoana ilay nampanantena menaka sy vary mora.
(Ho roa arivo hoe ny litatra, ho dimanjato ny kilao?)
Kanjo inona no teo, mandroso ny andro sy ny ora.
(Rediredim-boaikely no hany hita hatramin’izao!)

…Dia mbola sahy hampanonofy, mbola sahy hampanantena?
Taona iray anefa sisa, (sa hanao fahagagana?)
Mba meteza ho tonga saina, potika ny firenena.
Aza andrasana hosorohina fa mialà am-panajana!

IRINA HO TAFITA (08-05-22)