Rodoben’ny mpanohitra RMDM – Miantso ny HCC handrava ireo governoram-paritra

Helisoa

Nitafa tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny QG Bel’Air Ampandrana, ny Roboben’ny mpanohitra ho an’ny Demôkrasia eto Madagasikara: RMDM, mikasika ny raharaham-pirenena, izay efa tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ankehitriny. Lasa miteniteny foana tsy mahalala izay tokony hataony ny mpitondra, ny lohany indray no matsatso. Tsy mahay manisa, miteniteny foana fa tsy mahalala ny tokony ho tenenina. Ny omby vositra am-piterahana, vary 2 taona vao vokatra. Manoloana izany dia tsy maintsy maneho ny heviny ny RMDM satria efa latsaka ao anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena ankehitriny.

Izay maneho ny heviny dia hanaovana ramatahora toy ny atao amin’ny mpanolotsaina ny Tanàna Clemence Raharinirina sy Lily Rafaralahy ary ireo mpanolotsaina TIM 5 mirahalahy. Manoloana izany, atsaharo ny ramatahora atao amin’ireo olona tsy mitovy hevitra aminareo, fa ny RMDM dia manaraka izany akaiky. Fa amin’ny taona ho avy dia ho avy ny fifidianana. Mialoha izany dia ilaina ny fitoniana ara-tsaina, ara-politika sy ara-tontolo iananana eto amin’ny firenena, tsy mendrika ny hisian’ny korontana mialoha sy aorian’ny fifidianana. Raha nisy ny famoriana mpanao politika teny amin’ny HCC dia nahitsy ny tenin’ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana, fa raha tena HCC marina mieritreritra ny hitandro toy ny anakandriamaso ny lalampanorenenana dia ireo tsy mifanaranaka amin’ny lalampanorenana, mila jerena akaiky avokoa. Koa raha tena izany tokoa no izy hoy ny filoha lefitry ny RMDM Toliara, pasitera Edouard Tsarahame dia tokony ho ravaina ny governora, satria tsy mifanaraka amin’ny lalampanorenana. Raha tsy mandrava ireo ny HCC dia hita mibaribary hoy izy fa miray tsikombakomba amin’ny fitondràna, ka tsy ho azo antoka ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara, raha tsy mandray andraikitra mikasika izany ity andrimpanjakàna ity.

Ho an’ny CENI izay eritreretina fa manomana ny fifidianana ho avy dia efa miteny ny RMDM dieny izao, mba tsy hahatonga ity firenena ity ho any amin’ny ratsy dia areno ny fihetsika, amboary ny lalana tokony haleha fa firenena iombonana ity fa tsy an’olon-tokana na an’ny antoko tokana i Madagasikara ary samy maharary amin’ny vidim-piainana miakatra, ny tsy fandriampahalemana, sns… Farany, miantso ny vahoaka rehetra hifanome Tanana ny RMDM amin’ny hanatanterahana ny fikaonandohampirenena, satria latsaka an-katerena ny vahoaka Malagasy ankehitriny.